Nahoana no Manao Izany Izy Ireo?
ISAN-TAONA, ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany dia mivory an’arivony maro any amin’ireo fivoriambe. Mankafy fiarahana amin’ny hafa sy fihainoana fandaharam-pianarana ny Baiboly tsara dia tsara, izy ireo any. Manao ezaka be ny sasany mba hanatrehana ireny fivoriambe ireny. Tamin’ny taon-dasa, ohatra, tany Malawi, dia nisy mpivady efa maherin’ny 60 taona, niaraka tamin’ny zanak’izy ireo lahy sy ny vadiny mbamin’ny zanany kely, nandeha bisikileta 80 kilaometatra mba hanatrehana fivoriambe iray. Nandao ny vohitra nisy azy tamin’ny enina ora maraina izy ireo, ary tonga teo amin’ny toerana nanaovana ilay fivoriambe, adiny 15 taorian’izay.
Tany Mozambika, dia nisy antokon’olona nandeha bisikileta telo andro mba hahatongavana tany amin’ny fivoriambe iray. Indray alina, raha iny izy ireo nitoby an-kalamanjana iny, dia nandre liona nierona teo akaiky teo izy ireo. Na dia notorahan’izy ireo kitay aza ireo biby, dia nijanona teo amin’ny manodidina teo ireo liona hatramin’ny mangiran-dratsy. Nisy Vavolombelona hafa iray nankany amin’io fivoriambe io ihany, nifanehatra tamin’ny liona iray teo an-dalana. Nijaridina moramora izy mandra-pahalasan’ilay liona. Tany amin’ilay fivoriambe ireo Vavolombelona ireo dia nitantara tamin-kafaliana ny fomba ‘namonjena azy ireo tao am-bavan’ny liona’. — 2 Timoty 4:17.
Maro amin’ny Vavolombelon’i Jehovah no manao ezaka be mba hanatrehana fivoriambe, eny fa na dia amin’ireo fivoriana fanaon’ny kongregasiona isan-kerinandro ho amin’ny fanompoam-pivavahana fotsiny aza. Nahoana? Hanampy anao hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fiaraha-mivory, ireo lahatsoratra manaraka.