Tena Mihevitra Ny Tilikambo Fiambenana ho Sarobidy Tokoa Izy
“Na dia Katolika romana aza aho”, hoy ny nosoratan’ny mpianatra iray ao amin’ny kilasy fahenina, avy any Toledo, any Ohio, Etazonia, “dia tiako ny hanao famandrihana amin’ny gazety tsara avoakanareo. Ny nahatonga ahy ho liana tamin’ny Tilikambo Fiambenana dia i Trevor. Eo akaikiko izy no mipetraka any am-pianarana. Mpinamana hatramin’ny herintaona eo ho eo izao izahay, ary nampianariny zavatra maro momba an’i Jesosy sy i Jehovah ary ny Vavolombelon’i Jehovah, aho.
“Mitovy taona sy halavana izaho sy i Trevor, ary tena mazoto be izy amin’ny fivavahany. Manao famandrihana amin’ny Tilikambo Fiambenana izy, ary mamela ahy hindrana ny iray amin’ireo gazetiny. Tiako ireo lahatsoratra natao tamim-pieritreretana tsara soratanareo. Antenaiko fa hodianareo tsy hita ny tsy maha-Vavolombelon’i Jehovah ahy, ka hamela ahy hanao famandrihana amin’ny gazetinareo, ianareo.”
Ny Tilikambo Fiambenana sy ilay gazety namany hoe Mifohaza!, dia vakin’ny olona avy amin’ny firenena sy fivavahana maro maneran-tany, amim-pifaliana. Tamin’ny taona lasa fotsiny, dia nisy maherin’ny 900 tapitrisa tamin’ireo gazety roa ireo no natao pirinty tamin’ny fiteny maherin’ny 120!
Ianao koa dia handray soa avy amin’ny famakiana tsy tapaka Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza!