“Izy io no Testamenta Vaovao Misy Dikan-teny Isan’andalana Tsara Indrindra Misy”
IZANY no fomba nilazalazan’ny Dr. nJason BeDuhn ny The Kingdom Interlinear Translation of the Greek Scriptures. Hoy izy manazava:
“Vao avy namita ny fampianarana ho an’ny Sampam-pianarana Momba ny Fivavahana ao amin’ny Oniversite Indiana, ao Bloomington, [Etazonia] aho. (...) Izy io dia fianarana ireo Filazantsara, voalohany indrindra. Tonga tamin’ny alalan’ny The Kingdom Interlinear Translation of the Greek Scriptures, izay nampiasain’ireo mpianatro ho toy ny iray amin’ireo boky fianarana ho an’ilay kilasy, ny fanampianareo. Sarobidy ho an’ilay fianarana, ireny boky kely ireny, ary be mpitia teo amin’ireo mpianatro.”
Nahoana ny Dr. BeDuhn no nampiasa ny fandikan-tenin’ny Kingdom Interlinear tao amin’ny fandaharam-pampianarany tany amin’ny fianarana ambony? Mamaly izy hoe: “Raha tsorina, dia izy io no Testamenta Vaovao misy fandikana eny anelanelan’ny andalan-tsoratra tsara indrindra misy. Nampiofanina tamin’ny fianarana ambony momba ny Baiboly aho, mahafantatra tsara an’ireo soratra sy fitaovana ampiasaina amin’ny fianarana Baiboly maoderina, ary raha ny tena izy, dia tsy mpikambana ao amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nefa fantatro fa ambony karazana ny zavatra vita an-tsoratra iray rehefa mahita anankiray aho, ary nahavita asa tsara ny ‘Komitin’ny Baiboly Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao’ ao aminareo. Ny fandikana anglisy eny anelanelan’ny andalan-tsoratra nataonareo, dia araka ny marina tsara sy tsy miovaova aoka izany, ka manosika ny mpamaky hihevitra ny fahasamihafana lalina eo amin’ny fiteny sy kolontsaina ary zavatra inoana teo amin’ny tontolo niteny grika sy ny antsika. Ambony karazana ny ‘Fandikan-tenin’izao Tontolo Izao Vaovao’ nataonareo, dia fandikana ara-bakiteny manalavitra ny fanomezana fanazavana toy ny fanao, amin’ny fifikirany amin’ny teny grika. Amin’ny lafiny maro, dia ambony noho ireo fandikan-teny mahomby indrindra ampiasaina ankehitriny, izy io.”
Ny The Kingdom Interlinear Translation of the Greek Scriptures dia avoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanampiana ireo izay tia ny Tenin’Andriamanitra hanjary hifankazatra amin’ny teny grika nanoratana ny Baiboly tany am-boalohany. Izy io dia mirakitra ny The New Testament in the Original Greek eo amin’ny sisiny havia amin’ilay pejy (nangonin’i B. F. Westcott sy i F. J. A. Hort). Hita eo ambanin’ny andalan-tsoratra amin’ny teny grika ny fandikana ara-bakiteny sy isaky ny teny, amin’ny teny anglisy. Eo amin’ny tsanganana kely eo amin’ny ankavanana ny Soratra Masina — Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao (anglisy), izay mamela anao hampitaha ny fandikana eny anelanelan’ny andalan-tsoratra, amin’ny dika teny maoderin’ny Baiboly amin’ny teny anglisy.