FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w98 15/1 p. 32
  • Midera Mangina ny Mpamorona Azy Izy Ireo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Midera Mangina ny Mpamorona Azy Izy Ireo
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
w98 15/1 p. 32

Midera Mangina ny Mpamorona Azy Izy Ireo

EFA toetra mampiavaka ny masoandro mody ilay izy manaitra ny maso iny. Tena tsy manam-paharoa kosa anefa ny fahitana ny masoandro midina ao ambadik’itỳ tendrombohitra manokana any Alpes Apuane, any Toscane, Italia, itỳ.

Raha jerena avy lavitra, dia toy ny milatsaka ao anatin’ilay tendrombohitra ny masoandro fa tsy hoe midina ao ambadik’izy io. Nahoana? Satria ny tendron’ilay tendrombohitra dia manana andohalambo voajanahary iray izay toy ny hoe nokaohina avy tamin’ilay tendrombohitra. Tsy azo lavina fa sahaza ny anarany hoe Monte Forato — ilay Tendrombohitra Loaka — tokoa io toerana avo io. Noho ny fihodin’ny tany manodidina ny masoandro, dia indroa isan-taona ihany ireo mitazana avy ao anatin’ilay andohalambo no afaka mahita ilay toa fianjeran’ny masoandro ao anatin’i Monte Forato.

Sahala amin’ireo endriny hafa amin’ny zavaboary, dia midera ny Mpamorona azy ny lanitra tsy manana aina. Amin’ny fomba ahoana? Toy ny hoso-doko kanto iray izay mitondra fiderana ho an’ilay mpanakanto nanao azy. Raha ny marina, dia milaza ny herin’i Jehovah sy ny fahendreny ary ny fahamboniany ireo zavatra eny amin’ny lanitra. Araka ny ilazan’ny mpanao salamo azy dia hoe: “Ny lanitra mitory ny voninahitr’Andriamanitra; ary ny habakabaka manambara ny asan’ny tànany.” (Salamo 19:1; 69:34). Koa satria ny masoandro sy ireo zavatra hafa tsy manana aina aza midera ny Mpamorona azy, mainka moa fa isika! — Salamo 148:1, 3, 12, 13.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara