FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w98 1/1 p. 32
  • Valin-teny Nanaitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Valin-teny Nanaitra
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
w98 1/1 p. 32

Valin-teny Nanaitra

VAO haingana izay, dia namoaka an-gazety ny taratasin’ny mpamaky iray avy any Pays de Galles ny Catholic Herald, gazety katolika iray any Grande-Bretagne. Toy izao manaraka izao no vakin’izy io: “Tonga tao am-baravarako ny Vavolombelon’i Jehovah roa, indray alina. Vitako ny nilaza hoe ny Eglizy Katolika no niantoka ny fahamarinan’ilay Testamenta Vaovao notononin’izy ireo. Akory ny hagagako fa niombon-kevitra tamiko ny iray tamin’izy ireo. ‘Eny’, hoy izy, ‘miantoka izany ianareo, saingy tsy manaraka azy kosa. “Mifankatiava tahaka ny nitiavako anareo”, hoy i Jesosy. Ianareo kosa anefa mifamono. Namono Katolika ny Katolika tamin’ilay ady farany, fa tsy nisy Vavolombelon’i Jehovah kosa anefa namono Vavolombelona [tahaka azy].’ Inona moa no azoko natao fa dia niombon-kevitra taminy aho! Ahoana no ahafahantsika mivavaka mba hisian’ny firaisan-tsaina amin’ireo ‘rahalahintsika misaraka amintsika’, raha tsy misy tena firaisan-tsaina eo amintsika samy isika? Tsy tokony hanitsy an’io raharaha mahafa-baraka io ve aloha isika?” — Jaona 15:12.

Samy niandoha teo anivon’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana ireo ady lehibe roa tamin’itỳ taonjato faha-20 itỳ ary namoizana ain’olona 50 tapitrisa ka hatramin’ny 60 tapitrisa teo ho eo. Azo lazaina marimarina anefa fa sady tsy nandray anjara tamin’ireo ady ireo Vavolombelon’i Jehovah no tsy mitsabaka amin’izay ady rehetra misy amin’izao fotoana izao. Ahoana no hetezan’izany? Hahasoa anao ny mamotopototra bebe kokoa momba ilay fitiavana sy firaisan-tsaina kristiana izay fehy matanjaka mampiray ny Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny dimy tapitrisa maneran-tany. — Ampitahao amin’ny Isaia 2:4.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 32]

U.S. National Archives photo

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara