Ny Didy Folo
NY EVEKAN’I Gloucester any Angletera dia nahita fa tsy afaka namerina ireo Didy Folo ny antsasany mahery amin’ireo anisan’ny klerjy tao amin’ny dioseziny, ary tsy nahafantatra ny toerana ahitana azy ireo ao amin’ny Baiboly ny 10 isan-jato taminy. Tamin’ny 450 taona lasa anefa izany. Nihatsara ve ny tarehin-javatra hatramin’izay? Tsy izany velively — araka ny nahariharin’ny fanadihadiana iray vao haingana nataon’ny Sunday Times teo amin’ireo anisan’ny klerjy anglikana.
Ny 34 isan-jaton’ireo 200 nadinadinina monja no afaka nanonona ireo Didy Folo rehetra. Teo amin’ireo sisa, dia nisy iray nihevitra fa be fandrarana loatra izy ireny, ary ny iray hafa nanda azy ireny ho tsy mifanentana amin’ireo zava-manahirana ara-pitondran-tena amin’ny andro maoderina.
Fantatrao ve ireo Didy Folo na ny toerana ahitana azy ireo? Izy ireo dia voarakitra ao amin’ny Eksodosy, boky faharoa ao amin’ny Baiboly, ary hita eo amin’ireo andininy 17 voalohany amin’ny toko faha-20. Nahoana raha mamaky azy ireo? Indro misy fomba tsotra isokajiana azy. Ny efatra voalohany dia mifandray amin’ny fanompoam-pivavahana ataontsika ho an’Andriamanitra, ny fahadimy dia manasongadina ny fiainam-pianakaviana, ny fahenina ka hatramin’ny fahasivy dia mahakasika ny fifandraisantsika amin’ny mpiara-belona amintsika, ary ny fahafolo dia tsy manam-paharoa, satria manosika antsika hamotopototra ny fontsika sy handinika ny antony manosika antsika. Indro misy famintinana fohy ny amin’ny fomba azon’ny Kristiana ampiharana ireo foto-pitsipika raketin’izy ireo.
Voalohany: Manomeza fifikirana tsy mizarazara ny Mpamorona antsika. Faharoa: Aza mampiasa sary eo amin’ny fanompoam-pivavahana. Fahatelo: Omeo haja sy voninahitra mandrakariva ny anaran’Andriamanitra. Fahefatra: Makà fotoana hifantohana amin’ny zavatra ara-panahy, tsy misy fanelingelenana. Fahadimy: Rankizy, hajao ny ray aman-dreninareo. Fahenina: Aza mamono olona. Fahafito: Halaviro ny fanitsakitsaham-bady. Fahavalo: Aza mangalatra. Fahasivy: Milazà ny marina. Fahafolo: Halaviro ny fitsiriritana.
Anisan’ny fehezan-dalàna nomena an’i Mosesy ireo Didy Folo. Kanefa, ireo foto-pitsipika asehony dia tsy tontan’ny ela. (Romana 6:14; Kolosiana 2:13, 14). Noho izany antony izany, dia nanonona sy nanisy fitenenana ny amin’ny Didy Folo ireo mpanara-dia an’i Jesosy. (Romana 13:8-10). Ho sambatra — sy ho azo antoka — kokoa toy inona moa ny fiainana amin’izao andro izao, raha toa ka manaja sy miaina araka ireny foto-pitsipika ara-tsindrimandrin’Andriamanitra ireny ny rehetra!