Maniry Fatratra Tontolo Iray Hanjakan’ny Rariny ve Ianao?
NANATONA ny torapasik’i Cape Cod ankehitriny, any Massachusetts, Etazonia, ny sambo lay iray vita tamin’ny hazo, nanana andrin-tsambo telo sy tokotanin-tsambo roa. Ireo tantsambo sy ireo mpandeha nisy 101 dia reraka noho izy ireo teny an-dranomasina nandritra ny 66 andro. Koa satria izy ireo nandositra ny fanenjehana ara-pivavahana sy ny fahasahiranana ara-toe-karena, dia nanao dia lavitra nandreraka namakivaky ny Ranomasina Atlantika izy ireo.
Rehefa nahita ny tany ireo mpandeha tamin’io sambo Mayflower io tamin’ny 11 Novambra 1620, ny mason’izy ireo dia namirapiratra noho ny fanantenana fanombohana fiainana vaovao iray. Noho izy ireo naniry ny hametraka ny fototra ho an’ny tontolo iray tsaratsara kokoa, roa andro taorian’io, ny ankamaroan’ireo lehilahy olon-dehibe tao amin’ilay sambo, dia nanao sonia ny Fifanarahana Mayflower. Tao amin’izy io, izy ireo dia nanaiky ny hampiasa “lalàna marina sy mitovy” ho an’ny “tombontsoa iombonan’ilay fitambaran’olona”. Moa ve ny nofinofin’izy ireo momba ny tontolo iray tsara fitondran-tena sy mety amin’ny tsirairay — tontolo iray hanjakan’ny rariny — tanteraka?
Na dia heverina ho ny iray amin’ireo vato fehizoron’ny fomba fitantanana amerikana aza ilay Fifanarahana nosoniavina teo ambonin’ny Mayflower, ny tsy rariny dia zavatra mahazatra fahita any Amerika, sahala amin’ny eran’izao tontolo izao. Ohatra, hevero ny lehilahy iray notifirin’ny polisy, iny izy nanandrana nandositra iny, taorian’ny nandrobany sy nitifirany mpivarotra iray. Notoriny ilay polisy sy ny tanànan’i New York, ka nahazo vola dolara an-tapitrisany maro ho onitra izy.
Hevero ny ohatra hafa iray. Teo am-panaovan’ireo mpianatra lalàna ny fanadinana ho tonga mpisolovava tany Pasadena, any Kalifornia, dia nihetsika ny aretin’ny iray tamin’izy ireo, ka nahasafotra azy. Nisy mpianatra roa teo akaiky teo nanao avy hatrany ressuscitation cardio-pulmonaire (famerenana ny fisefo sy ny fitepon’ny fo) mandra-pahatongan’ny mpitsabo amin’ny vonjy taitra. Nandany 40 minitra izy ireo nanampiana ilay lehilahy. Nony nangataka fotoana fanampiny anefa izy ireo mba hamitana ilay fanadinana, dia nanda izany ireo mpitsara.
Eo ihany koa ny raharaha mahakasika ny fanasaziana noho ireo asa fanaovana heloka bevava. Nanamarika toy izao ny mpanao fandinihana ekonomika, atao hoe Ed Rubenstein: “Ny ankamaroan’ireo heloka bevava dia tsy mifarana velively amin’ny fisamborana. Maro amin’ireo voasambotra no tsy tsaraina. Maro amin’ireo voaheloka no mahazo sazy mihantona. Ny fanampoizana fanasaziana, araka ny fomba fijerin’ireo mpanao heloka bevava, dia zavatra mampisalasala fa tsy zavatra azo antoka.” Tamin’ny fampiasana ny filazalazana ny zava-misy momba ny fandrobana, dia nanatsoaka hevitra izy fa rehefa mety ho mpangalatra dia “ho afa-mandositra ny fampidirana am-ponja 98 isan-jaton’ny toe-javatra”. Ny tsy fisian’ny sazy firy dia mitarika ho amin’ny heloka bevava maro kokoa sy olona iharan’ny heloka bevava maro kokoa. — Mpitoriteny 8:11.
Any amin’ny tany maro, ireo olom-bitsy manankarena dia mihamanankarena hatrany, nefa ireo olona maro be mahantra dia miatrika tsy rariny eo amin’ny lafiny ara-toe-karena. Mitombo be izany tsy rariny izany rehefa tsy manana fahafahana firy hanatsara ny toe-javatra misy azy ireo, na hivelona mihitsy aza, ny olona, noho ny volon-kodiny, na ny foko misy azy, na ny fiteniny, na noho izy ireo lehilahy na vehivavy, na noho ny fivavahana. Araka ny The New York Times, ohatra, dia “saika ny ampahefatry ny olona arivo tapitrisa any Azia Atsimo, any amin’ny tany tapahin’ny Hindoa — ny ankamaroany dia any India sy Népal — no teraka sy maty tamin’ny naha-olona nailikilika azy”. Ny vokany dia olona an-tapitrisany maro no noringanin’ny fahantrana sy ny hanoanana ary ny aretina. Maharitra mandritra ny androm-piainan’izy ireo manontolo ny tsy rariny.
Ahoana ny amin’ireo toa tsy rariny tsy voafehin’ny olombelona? Noheverinao ve ny amin’ireo zaza teraka sembana hatrany an-kibon-dreniny — jamba, votsa saina, na sampona? Moa ve ny vehivavy iray tsy hahatsiaro ho niharan’ny tsy rariny raha toa ny zanany teraka kilemaina na maty, nefa ny vehivavy eo akaikiny eo mamihina zaza salama tsara?
Mampalahelo fa mitombo ny tsy rariny, ary toy izany koa ny vokatr’izy io — ny fijaliana be sy ny tsy fahampian’ny fiadanana sy ny fifaliana ary ny fahafaham-po. Noho izy ireo tafintohina amin’ny tsy rariny hitany na iainany, dia maro no nirona hanao herisetra, nefa izany dia tsy nanao afa-tsy ny nanampy ny fahorian’olombelona. Ny ankamaroan’ireo ady dia natao noho ny tsy rariny tsapan’ny olona.
Nahoana ny olombelona no tsy nahomby tamin’ny fananganana tontolo iray anjakan’ny rariny? Moa ve ny tontolo toy izany nofinofy fotsiny?
[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]
Corbis-Bettmann
[Sary, pejy 4]
Fanaovana sonia ny Fifanarahana Mayflower
[Sary nahazoan-dalana]
Corbis-Bettmann