Fanovozana Avy ao Amin’ny “Rano Lalina”
MILAZA toy izao ny ohabolana iray ao amin’ny Baiboly: “Rano lalina ny hevitra ao am-pon’ny olona; fa [ny olona manana fahaiza-manavaka, NW ] dia mahay manovo azy ihany”. (Ohabolana 20:5). Tamin’ny andron’ny Baiboly dia sarotra lavitra noho ny any amin’ny tany maro amin’izao andro izao, ny fahazoan-drano. Fony i Jesosy niresaka tamin’ilay vehivavy samaritana, io vehivavy io dia teo am-pisintonana rano avy tao amin’ny loharanon’i Jakoba, dia lava-drano iray tany amin’ny 23 metatra teo ho eo ny halaliny! — Jaona 4:5-15.
Araka ny ambaran’ny Ohabolana 20:5, ny fahaiza-manavaka ilaina mba hanovozana ireo hevitra sy fihetseham-po lalina kobonin’ny olona iray ao am-pony, dia misy itoviana betsaka amin’ny ezaka takina mba hanovozana rano avy ao amin’ny lava-drano iray. Marina izany eo amin’ny ankamaroan’ny lafim-piainana. Ohatra, azo inoana fa mahafantatra olona izay nanangona fahalalana sy fanandraman-javatra be dia be nandritra ny taona maro ianao. Raha toa ireny olona ireny ka tsy mirona hanome an-tsitrapo torohevitra tsy angatahina, dia mety hila ny hanovo izany avy ao aminy ianao. Amin’ny fanehoana fahalianana, sy amin’ny fametrahana fanontaniana, ary amin’ny famakafakana amim-pahaiza-mandanjalanja, dia hampidina ny sininao ao anatin’ny lava-drano lalina iray feno fahendrena ianao, raha azo atao ny milaza izany.
Mihatra amin’ny fianakaviana koa ny torohevitry ny Ohabolana 20:5. Matetika no andrenesana ny vehivavy milaza hoe: “Tsy milaza amiko ny fihetseham-pony ny vadiko!” Mety hilaza toy izao ny lehilahy iray: “Tsy miteny amiko fotsiny izao ny vadiko!” Amin’ny tarehin-javatra toy izany, dia ilaina ny fahaiza-manavaka mba hanovozana ireo hevi-dalina ao am-pon’ilay vady. Ireo fanontaniana feno fahaiza-mandanjalanja (toy ny hoe: Mafy angaha ny nahazo anao androany? Fa inona no nitranga? Inona no azoko anampiana anao?) dia afaka manokatra fifampiresahana avy amin’ny fo. Hanamafy ny fatoram-panambadiana ny fahaiza-manavaka toy izany, ho tombontsoan’ny mpivady.