Ny Fampanantenan’iza no Azonao Ianteherana?
TAMIN’NY 1893, dia nisy olona 74 manam-pahaizana momba ny fiaraha-monina, nivory tao amin’ny Foara Iraisam-pirenena tany Chicago mba hiara-midinika momba ny hoavy. (Aseho etsy ambony ilay toerana nisy azy.) Nibanjina 100 taona mialoha hatramin’ny taona 1993 izy ireo ka nanao ireto filazana mialoha manaraka ireto, ankoatra ny hafa: “Olona maro no hiaina 150 taona.” “Hihena ny isan’ny fonja ary hoheverina ho tsy ilaina ny fisaraham-panambadiana.” “Hanjary ho tsotra kokoa ny fitondram-panjakana, satria hiezaka foana ho amin’ny fahatsorana ny tena fahamboniana.”
Toy izany koa fa tamin’ny 1967, dia nisy boky iray nitondra ny lohateny hoe The Year 2000 (Ny Taona 2000) nanambara mialoha hoe: “Amin’ny taona 2000, ny ordinatera dia azo inoana fa hahatoraka, haka tahaka, na hisongona ny sasany amin’ny fahaizana ara-tsaina ‘mampiavaka ny olona’ indrindra, anisan’izany angamba ny sasany amin’ireo fahaizany eo amin’ny zavakanto sy ny famoronan-javatra.” “Amin’ny taona 2000, dia toa ho azon’ny saina ekena indrindra (...) ilay hevitra hoe hisy robots amin’ny vidiny mirary, hanao ny ankamaroan’ny raharaha ao an-trano.”
Miharihary fa mifanohitra be amin’ny fahaizan’Andriamanitra, ny tsy fahaizan’olombelona mahita mialoha ny fisehoan-javatra ho avy. Ohatra, ampitahao ireo filazana mialoha etsy aloha sy izay nambaran’ny Baiboly mialoha toy izao, efa ho 2 000 taona lasa izay, mikasika izao androntsika izao: “Ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina, tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara, mpamadika, kirina, mpieboebo, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’Andriamanitra, manana ny endriky ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, nefa nandà ny heriny”. — 2 Timoty 3:1-5.
Iray monja amin’ireo faminaniana maro tanteraka amin’izao androntsika izao io faminaniana ao amin’ny Baiboly mahakasika ny ‘atỳ am-parany’ io. Ny Tenin’Andriamanitra dia nanambara mialoha fa ho anisan’ny “famantarana” ny fanatrehan’i Jesosy ny ady lehibe, ny mosary, ny areti-mandringana, ny horohoron-tany, sy ny fitoriana haneran-tany ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. — Matio 24:3-14; Lioka 21:11.
Nanosika mpanoratra iray ny Baiboly hilaza toy izao ny fahamarinana tsy mety dison’ny fampanantenan’Andriamanitra, taonjato maro lasa izay: “Tsy misy latsaka na dia zavatra iray akory aza ny zava-tsoa rehetra izay nilazan’i Jehovah Andriamanitrareo anareo; efa tanteraka taminareo avokoa izy rehetra: tsy nisy latsaka izy na dia zavatra iray akory aza.” — Josoa 23:14.
Eny, afaka matoky isika fa ho tanteraka tsy ho ela ny fampanantenan’Andriamanitra rehetra. Hamarana ny aretina sy ny heloka bevava sy ny fidorohana zava-mahadomelina sy ny hanoanana ary ny ady ny Fanjakan’Andriamanitra — ho paradisa ny tany manontolo. (Salamo 37:10, 11, 29; Apokalypsy 21:3, 4). Afaka manantena ny hahatanterahan’io faminaniana io ianao! Avy amin’ny Mpamorona antsika, izay “tsy mahay mandainga”, izy io. — Titosy 1:2; ampitahao amin’ny Hebreo 6:13-19.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 32]
Cleveland State University Archive