Manohana ny Zon’ny Marary ny Fitsarana Tampony any Connecticut
Tamin’ny 16 Aprily 1996, dia nanohana ny zon’ny Vavolombelon’i Jehovah handa fampidiran-dra ny Fitsarana Tampony any Connecticut, Etazonia. Io hevi-tinapaka io dia nanafoana ny didim-pitsarana nataon’ny fitsarana ambaratonga voalohany teo aloha.
Tamin’ny Aogositra 1994, dia nanomboka nandeha ra be i Nelly Vega, Vavolombelon’i Jehovah, rehefa avy niteraka ny voalohan-janany. Tsy nandaitra ireo ezaka natao mba hampijanonana ilay lotsi-dra nahazo azy. Raha nihombo ilay toe-javatra nahazo an-dRtoa Vega, ny hopitaly dia nitady izay hahazoana didim-pitsarana hanome lalana ny hampidiran-dra. Rtoa Vega dia efa nanao sonia taratasy fanalana andraikitra ny mpitsabo, dia taratasy milaza ny tsy hampidirana ra na zavatra avy amin’ny ra aminy mandritra ny fijanonany tao amin’ny hopitaly, ka noho izany dia nanafaka madiodio ilay hopitaly tamin’izay nety ho andraikitra teo amin’ny vokatry ny fanapahan-keviny. Na dia izany aza, dia nidrikina ilay hopitaly fa ny fanerena hanao fampidiran-dra no hahasoa indrindra an’ilay zaza vao teraka izay nila ny reniny, araka ny antony naroson’ilay hopitaly. Nampanahy koa an’ilay fitsarana ambaratonga voalohany Rtoa Vega, satria ankoatra ilay fahaverezan-dra nahazo azy, dia vehivavy tanora sy salama izy. Araka izany, na dia teo aza ny fanoheran’ny vadin-dRtoa Vega sy ny mpisolovavany, dia nanome ilay baiko ny fitsarana, ka natao ny fampidiran-dra.
Tatỳ aoriana, dia nentina teo amin’ny Fitsarana Tampony any Connecticut ilay raharaha. Tao, dia notinapaky ny rehetra fa nanitsakitsaka ny zon-dRtoa Vega ilay zavatra nataon’ny hopitaly. Nilaza toy izao ilay didim-pitsarana: “Natao tamin’ny misasak’alina sy tao anatin’ny fahamaikana fatratra ny fihainoana nataon’ilay fitsarana ambaratonga voalohany, hany ka tsy nahatonga ny andaniny roa ho afaka hamelabelatra tamin’ny fomba feno ny fanaporofoan-keviny.”
Zava-dehibe ho an’ny olona ankoatra ny Vavolombelon’i Jehovah io didim-pitsaran’ny Fitsarana Tampony any Connecticut io. “Zava-dehibe izy io ho an’ireo marary rehetra izay mety tsy hiombon-kevitra amin’ny fanapahan-kevitry ny dokoterany”, hoy i Donald T. Ridley, mpisolovavan-dRtoa Vega. “Io didim-pitsarana io dia hisakana ireo hopitaly tsy hanao kely tsy mba mamindro amin’ireo zavatra heverin’ny marary fa sarobidy, na ara-pivavahana izany na tsia.”