“Vatosoa Mirakitra Fahamarinana”
“Vatosoa mirakitra fahamarinana”. Izany no fomba ilazalazan’ny taratasy iray voarain’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Nizeria, momba ny gazety manokana roa. Manazava toy izao ilay mpanoratra, izay tovolahy iray:
“Manoratra aminareo aho mba hanehoako ny fisaorako anareo eram-po eran-tsaina noho ny ezaka ataonareo mba hiresahana saika ny lafiny rehetra amin’ny fiainana andavanandro, amin’ny alalan’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza!”
“Fito ambin’ny folo taona aho. Tamin’ny taon-dasa, ny radio iray teto an-toerana dia nampanao fifaninanana famoaboasan-kevitra momba ny loha hevitra hoe ‘Be Kokoa Noho ny Firaisana no Tafiditra Amin’ny Fitiavana — Tena Misy ny SIDA’. Ny famoaboasan-kevitra tsirairay dia tokony tsy ho latsaka ny teny efajato. Vola 1 000 naira [60 000 FMG eo ho eo] ny loka homena amin’ny famoaboasan-kevitra tsara indrindra. Mazava ho azy, hoy izy ireo, fa tsy tokony hanoratra mba hahazo loka fotsiny ny olona, fa mba hiana-javatra kosa. (...)
“Nahita fanazavana momba ny SIDA aho tao amin’ireo gazety roa. Raha ny amin’ny fitiavana, dia nisy lahatsoratra maro dia maro tsy nety tapitra. Nampiasa hevitra avy tao amin’ny Mifohaza! (anglisy) tamin’ny 8 Aogositra 1978 aho.”
“Zara raha nisy roa volana taorian’ny nandefasako ny famoaboasan-kevitra nataoko, dia nivoaka ny vokatra. Akory ny hagagako fa izaho no nitana ny voalohany tao amin’ny fanjakan’i Cross River sy i Akwa Ibom!
“Avy tamin’ireo gazety ny fanazavana rehetra nampiasaiko. Tena mahatalanjona tokoa ny fanomezan’i Jehovah fanazavana ara-potoana ho antsika, eo amin’itỳ tontolo mikorontana sy marary ara-panahy itỳ. Amin’ny maha-Kristiana marina antsika, dia fantatsika fa be lavitra noho ny firaisana no tafiditra amin’ny fitiavana. Ary mazava ho azy fa ny fananana fiainana madio sy maneho hatsaram-pitondran-tena dia miaro antsika amin’ny aretina toy ny SIDA.
“Tsy haiko ny tsy hisaotra anareo noho ireny vatosoa mirakitra fahamarinana ireny, izay tsy itandroanareo hasasarana ny famoahana azy. Enga anie i Jehovah ka hanohy hitahy ny ezaka ataonareo, eo am-panomezanareo hatrany ireny gazety sarobidy ireny.”