Rehefa Mitsidika ny Vavolombelon’i Jehovah
Inona no tokony hataon’ny Katolika rehefa mitsidika azy any an-tranony ny Vavolombelon’i Jehovah? Nanambara toy izao ny boky iray vao haingana nomanin’ny Conferenza Episcopale Italiana: Ufficio Catechistico Nazionale: “Ny fandavana tsy hiresaka, fandavana amin-katsaram-panahy fa amin’ny fomba hentitra na dia izany aza, dia tsy hoe tsy fanaovana asa soa, raha ny amin’itỳ raharaha itỳ.”
Tsy ny Katolika rehetra no mitovy hevitra amin’izany, araka ny asehon’ny taratasy iray nalefan’ny lehilahy iray monina any Foggia, Italia, tany amin’ilay gazety mivoaka isan’andro hoe Gazzetta del Mezzogiorno:
“Tsy Vavolombelon’i Jehovah aho, fa Katolika. Gaga anefa aho noho ny fitsipika sasany ampiharin’ny eglizy amin’ireo mpiangona, amin’ny fandidiana azy ireo hametaka fanambarana mandroaka ny Vavolombelon’i Jehovah, eo amin’ny varavarany. Raha ny marina, ireny olona ireny dia mitondra fotsiny ny Tenin’Andriamanitra, ary manampy ny hafa mba hanana fahalalana lalina kokoa ny Baiboly. Izany dia mampahatsiaro ahy ny fotoana namelezan’ny kôlerà an’i Italia, ka nanoroana hevitra anay ny amin’ny fomba fiarovan-tena tamin’ilay aretina.
“Araka ny hevitro, izany dia mampiseho fa mampihatra an-keriny ny fitsipiny manokana ny eglizy, tsy nanisy fiheverana ny fanirian’ireo mpiangona. Nandritra ny taona vitsivitsy anefa izao, dia hitako fa na dia ny Katolika aza dia mandeha isan-trano koa, mitsidika ny tranon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Avelan’ny Vavolombelon’i Jehovah hiditra izy, miresaka aminy tsy misy fandavana na iza na iza izy ireo.”
Tsy manery na iza na iza hanaiky ny hafatra entiny ny Vavolombelon’i Jehovah. Miezaka mafy kosa izy ireo mizara amin’ny hafa ny fanantenana atolotry ny Tenin’Andriamanitra, fanantenana hitan’ny tenan’izy ireo ho mampionona amin’izao andro mikorontana izao. Amin’ny fandehanana isan-trano, ary koa amin’ny firesahana amin’ireo mifanena aminy eny amin’ny arabe, ny Vavolombelon’i Jehovah dia mizara ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra amin’izay vonona hihaino. — Matio 24:14, NW; Asan’ny Apostoly 5:42; 17:17.