“Miaina Mifanaraka Amin’ny Fampiofanana Ara-pivavahana Azony Izy Ireo”
NANDEFA izao taratasy manaraka izao tao amin’ny gazety iray teo an-toerana ny vehivavy iray avy any Miami, Florida, Etazonia: “Tamin’ny 10 Des[ambra], dia nisy nangalatra tao am-paosin’ny zanako lahy ny poketrany, tany amin’ny fivarotana entana efa nampiasaina. Tao anatin’izy io ny taratasiny fahazoana mitondra fiarakodia, ny karatra momba ny Fiantohana Sosialy, sns., ary koa ny vola 260 dolara [1 274 000 FMG eo ho eo].
“Taorian’ny nilazany tamin’ny mpitantana ilay fivarotana fa very zavatra izy, dia lasa nody izy. Teo am-piandohan’ny takariva, dia naharay antso an-telefaonina izy avy tamin’ny ramatoa iray miteny espaniola izay nilaza taminy, nampian’ny mpandefa [telefaonina] iray izay nandika teny, fa nahita ilay poketrany izy.
“Nomen’ilay ramatoa azy ny adiresiny. (...) Nomeny azy ilay poketra, izay tsy nisy nanalana, niaraka tamin’ilay 260 dolara.
“Nahita ilay mpangalatra naka ny poketrany ilay ramatoa ka niantsoantso. Nalatsak’ilay mpangalatra ilay poketra ary dia lasa nandositra izy. Tamin’izay dia efa tsy hitan’ilay vehivavy intsony ny zanako lahy, ka nentiny tany an-tranony ilay poketra ary dia niantso an-telefaonina izy.
“Vavolombelon’i Jehovah izy sy ny fianakaviany. Miharihary fa miaina mifanaraka amin’ny fampiofanana ara-pivavahana azony izy ireo.”
Tsy hoe manao ny marina ny Vavolombelon’i Jehovah mba hahazoana dera avy amin’ny olona. (Efesiana 6:7). Irin’izy ireo am-pahatsorana kosa ny hitondra fiderana ho an’i Jehovah, ilay Rainy any an-danitra. (1 Korintiana 10:31). Manosika azy ireo hanambara ny “vaovao tsara” momba ny Fanjakan’Andriamanitra ny fitiavany an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona aminy. (Matio 24:14, NW ). Amin’ny alalan’ilay Fanjakana, Andriamanitra dia mampanantena fa hanova ny tany ho lasa paradisa kanto iray. Amin’izay ny tany dia tsy ho toerana kanto ara-bakiteny fotsiny, fa ho toerana hisian’ny hatsaran-toetra izay hanjakan’ny fanaovana ny marina mandrakizay koa. — Hebreo 13:18; 2 Petera 3:13.