FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w97 15/5 p. 32
  • ‘Andriamanitra no Ialofako’

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • ‘Andriamanitra no Ialofako’
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
w97 15/5 p. 32

‘Andriamanitra no Ialofako’

AMIN’IZAO ‘fotoan-tsarotra tsy mora setraina’ izao, dia mitombo foana ireo fakam-panahy sy fanerena. Mety hotsapaina, ohatra, ny fanaovantsika ny marina any amin’ny toeram-piasana. Mety hotsapaina ny fahadiovam-pitondran-tenantsika eo amin’ny mpiara-mianatra. Ary matetika dia mitsapa ny tsy fivadihantsika ny tontolo iray simba ara-pitondran-tena. — 2 Timoty 3:1-5, NW.

Niaina tamin’ny fotoana nampiroborobo ny faharatsiana koa i Asafa, ilay mpanoratra ao amin’ny Baiboly. Nirehareha tamin’ny fitondran-tenany ratsy aza ny sasany tamin’ireo mpiara-belona taminy. ‘Miambozona rehareha toy ny rojo izy’, hoy ny nosoratan’i Asafa. ‘Mitafy fahalozana tahaka ny lamba. Manazimbazimba izy ka miresaka fampahoriana an-dolompo; avo vava izy.’ (Salamo 73:6, 8). Tsy fahitanao matetika ve izany fihetsika izany?

Ho an’ireo izay maniry hanao ny marina dia tena mampalahelo, mahakivy mihitsy aza ny fitondran-tena toy izany. “Azom-pahoriana mandritra ny andro aho, ary faizana isa-maraina”, hoy i Asafa nitaraina. “Sarotra teo imasoko izany”. (Salamo 73:14, 16) Mety hahatsapa toy izany koa ianao, nefa aza kivy! Afaka nahazaka ny faharatsiana tamin’ny androny i Asafa, ary afaka manao toy izany koa ianao. Amin’ny fomba ahoana anefa?

Nanjary takatr’i Asafa fa saika tsy mety ho hita ny rariny tena izy, eo ambanin’ny fitondran’olombelona tsy lavorary. (Salamo 146:3, 4; Ohabolana 17:23). Koa tsy nandanilany ny fotoana sy ny hery ary ny fananany sarobidy mba hanandramana hanafoana ny faharatsiana rehetra nanodidina azy i Asafa, fa nifantoka tamin’ny fifandraisana nananany tamin’Andriamanitra. Nanambara toy izao i Asafa: “Fa, izaho, dia ny ho akaikin’Andriamanitra no mahatsara ahy; Hianao, Jehovah Tompo ô, no nataoko aroko”. — Salamo 73:28.

Amin’izao andro izao, dia matetika mahazo tombony ara-nofo ireo izay manaraka fanao ratsy eo amin’ny raharaha ara-barotra. Maro aza no mety hirehareha noho ny tsy firaharahany ireo lalàna ara-pitondran-tena avy amin’Andriamanitra. Kanefa, tsy hahazo vahana tsy misy farany izy ireo. “Eo amin’izay mahasolafaka tokoa no ametrahanao azy”, hoy i Asafa nanamarika. “Ary aripakao ho ringana izy.” — Salamo 73:18.

Eny, amin’ny fotoana voatondron’Andriamanitra, ny fametsifetsena, ny herisetra, sy ny fahasimbana ara-pitondran-tena ary koa ireo fanao ratsy hafa rehetra izay tsy maintsy halavirin’ny Kristiana marina, dia hofoanana. Mampanantena toy izao ny Baiboly: “Ny mpanao ratsy hofongorana; ary izay miandry an’i Jehovah no handova ny tany.” (Salamo 37:9). Ao anatin’izany fotoany izany, dia enga anie isika hamerina ny tenin’ilay mpanao salamo izay nanao hoe: “Jehovah no harambatoko sy batery fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy; Andriamanitro, vatolampy ialofako”. — Salamo 18:2.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara