FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w97 1/5 p. 32
  • Fitondrana Zioga Amin’ny Fahatanorana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fitondrana Zioga Amin’ny Fahatanorana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
w97 1/5 p. 32

Fitondrana Zioga Amin’ny Fahatanorana

AMIN’IZAO ‘fotoan-tsarotra tsy mora setraina’ izao, dia miatrika fanerena mafy ny tanora. (1 Timoty 3:1, NW ). Isan’andro dia tototry ny fampielezan-kevitra mampirisika ny fahalotoam-pitondran-tena, ny fifohana sigara, sy ireo endrika hafa amin’ny fitondran-tena manimba izy ireo. Mety hihomehezana ireo izay manaraka ireo fari-pitsipika ao amin’ny Baiboly noho ny fandavany tsy hanara-drian-drano, ka mety hihevitra ny Kristiana sasany fa ho mora kokoa ny milefitra.

Nanoratra toy izao i Jeremia tany amin’ny faran’ny taonjato fahafito al.f.i.: “Tsara amin’ny olona ny mitondra zioga, raha mbola tanora izy.” (Fitomaniana 3:27). Inona no tiany holazaina? Fa ny fianarana mizaka ireo fisedrana raha mbola tanora dia manampy hanomana ny olona iray hiatrika ireo zava-tsarotra amin’ny fiainan’olon-dehibe. Tsy azon’ny tanora sy ny olon-dehibe kristiana ialana ireo toe-javatra sarotra, na dia tsy mahafinaritra aza. (2 Timoty 3:12). Manan-tombo lavitra noho izay mety ho fanamaivanana mihelina mety hoentin’ny fanekena lembenana anefa ny soa entin’ny fahatokiana.

Raha toa ianao ka tanora, dia atreho amin-kitsim-po ireo fitsapana ny finoana. Rehefa alaim-panahy hanao fitondran-tena ratsy ianao, dia aza manaiky lembenana. Na dia mety ho sarotra aza ny manao izany amin’izao fotoana izao, dia ho vitsy kokoa ny fanahianao any aoriana. Nampanantena toy izao i Jesosy: “Ento ny ziogako (...) dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo hianareo. Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako.” — Matio 11:29, 30.

Ekeo ny zava-tsarotra ny amin’ny hiainana araka ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly. Ny fanaovana izany dia hanome anao ny fomba fiaina tsara indrindra dieny izao ary fanantenana azo antoka amin’ny hoavy. Araka ny lazain’ny Baiboly, dia “mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay”. — 1 Jaona 2:17.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara