‘Mila Olona Manao ny Marina Isika’
TSY fahita firy eto amin’itỳ tontolo ankehitriny itỳ ny fanaovana ny marina. Na dia izany aza, dia zavatra takina fototra iray amin’ny Kristiana izy io. Hoy ny nosoratan’i Paoly: ‘Te hitondra tena [amim-pahamarinana, NW ] amin’ny zavatra rehetra izahay.’ (Hebreo 13:18). Izany no nirin’i Wilma, Vavolombelon’i Jehovah iray, any Faenza, Italia, hatao.
Mitantara ny gazety Il Resto del Carlino fa rehefa nahita poketra iray nisy vola be, teo ivelan’ny supermarché iray tao an-tanànany izy, dia namerina azy io “tsy nisy fihambahambana” tany amin’ny polisy, mba hahafahana hamerina azy io tamin’ny tompony.
Rehefa nandre ny amin’izany ny ben’ny tanàna, dia nandefa taratasy fohy avy hatrany, ho fisaorana an’i Wilma. “Amin’ny anaran’ny Tanàna”, hoy ny nosoratany, “dia misaotra anao eram-po eran-tsaina aho noho ny fihetsika tsara dia tsara nanananao. Mila olona tsara sy manao ny marina i Faenza, tanànantsika manana ny hajany.”
Na tonga fantatra na tsia ny asa tsara ataontsika, dia tokony hiezaka foana hanao ny marina isika. Araka ny ampirisihan’ny Soratra Masina dia ‘miezaka hanao izay mahitsy isika, tsy eo imason’Andriamanitra ihany fa eo imason’ny olona koa’. — 2 Korintiana 8:21, The Jerusalem Bible.