Azo Antoka ny Sakafo Ampy ho An’izao Tontolo Izao — Amin’ny Fomba Ahoana?
“METY ho tsy ampy ny ezaka tsara indrindra ataontsika mba hihazonana ho ampy ny sakafo efa hitantsika nandritra ny ankamaroan’itỳ taonjato itỳ”, hoy ny filazan’i Lester Brown, prezidàn’ny Institut Worldwatch any Washington, D.C. Araka ny gazetiboky New Scientist, teo am-piandohan’ny taona 1995, dia nidina mbola tsy nisy toy izany ny tahirina voamaina sy voamadinika teo amin’izao tontolo izao ka lasa 255 tapitrisa taonina — ampy mba hamahanana an’izao tontolo izao nandritra ny 48 andro monja. Tao anatin’ireo taona teo aloha, rehefa nidina ambany noho ny ampy ho an’ny 60 andro ilay tahiry, dia tafaverina tamin’ny laoniny ihany. Ankehitriny anefa, dia tsy azon’ny Worldwatch antoka raha ho afaka hanonitra ny very ny tany.
Taorian’ny telo taona nahazoana vokatra ratsy sy nitomboan’ny isan’ny tany an-dalam-pandrosoana nampiasa voamaina sy voamadinika mba hohanin’ny biby fiompy, dia kely kokoa ny voamaina sy voamadinika ho an’ny mahantra izay mila azy io ho foto-tsakafony. Mampitandrina ny New Scientist fa raha tsy anehoana fiheverana avy hatrany ilay tarehin-javatra, dia mety hanomboka ho mosarena ireo olona arivo tapitrisa, izay mandany ny 70 isan-jaton’ny fidiram-bolany, fara fahakeliny, amin’ny sakafo.
Nambaran’ny Baiboly mialoha fa hahita “mosary” ny mponina eto an-tany amin’izao androntsika izao. (Lioka 21:11). Kanefa, tsy hoe tsy miraika amin’ilay zava-manahirana Andriamanitra. Eny tokoa, amin’ny farany dia hiseho ny fiahiany ny toe-javatra mahonena misy ny olombelona, rehefa hitondra ny raharahan’ny tany ny Fanjakany. Amin’izay fotoana izay “ny tany efa nahavokatra”. “Hahavoka-bary betsaka ny tany, na dia any an-tampon’ny tendrombohitra aza”. (Salamo 67:6; 72:16). Amin’izay dia ho tanteraka ireto teny ara-paminaniana ireto mikasika ny Mpamorona: “Mamangy ny tany Hianao ka mahamando azy (...). Voasarona vary ny lohasaha”. — Salamo 65:9, 13.
Manintona anao ve io fampanantenana mahatalanjona io? Ho tianao ho fantatra ve ny fomba hahafahanao hanana anjara amin’izy io? Angataho àry ny Vavolombelon’i Jehovah mba hilaza aminao misimisy kokoa momba io Paradisa ampanantenaina io, amin’ny fotoana manaraka hitsidihany eo am-baravaranao. Raha tianao ny hisian’ny olona ho tonga any an-tokantranonao mba hitarika fampianarana Baiboly maimaim-poana miaraka aminao, dia manorata any amin’ny Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly eto Madagasikara, B.P. 511, 101 Antananarivo, raha sitrakao, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy voalaza eo amin’ny pejy faha-2.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 32]
Sary kely anatiny: Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.