Ho Afaka Amin’ny Fisehoan-javatra toy itỳ ve Isika Indray Andro Any?
NA AIZA na aiza itodihantsika amin’izao andro izao, dia mahita sary velona mampiseho fihenjanana sy fifanoherana ary ady isika. Tsy hanampy isa ireo vaovao ratsy rehetra efa fantatrao anefa no zava-kendren’itỳ gazety itỳ. Itỳ nomerao manokana itỳ kosa dia hampahafantatra anao fahamarinana mampionona roa fara fahakeliny. Voalohany, dia hoe ireo faminaniana tranainy ao amin’ny Baiboly dia tena nanambara mialoha ny maro amin’ireo vaovao ratsy mahatafintohina amin’izao vanim-potoana iainantsika izao; faharoa, dia hoe io bokim-paminaniana io ihany dia manambara mialoha fotoana iray izay tsy hisian’ny fisehoan-javatra toy ny aseho eto intsony. Tsy hisy ady intsony. Tsy hisy zera baomba intsony, na fitifirana, na vanja milevina, na fampihorohoroana. Tsy hisy kamboty feno tebiteby sy mpitsoa-ponenana tsy manan-kialofana intsony. Tontolo iray hisian’ny filaminana sy mampitony fo. Ho tianao ve ny hahita izany fotoana izany? Mampirisika anao mafy izahay handinika izay lazain’ny Baiboly. Afaka mahita fampiononana mihoatra izay noheverinao fa mety hisy ianao ao.