Mandia Fotoan-tsarotra ny Fifandraisana Akaiky Iray Naharitra 403 Taona
ANY Soeda, dia nanana fifandraisana akaiky nandritra ny 400 taona mahery ny Fiangonana sy ny Fanjakana. Mihamigoragora izao ny fifandraisana misy eo amin’ny fivavahana sy ny fitondram-panjakana.
Ny Fivavahana Loteriana no naorina ho fivavaham-panjakana tamin’ny 1593, ary tsy maintsy mpikambana vita batisa ny Soedoà rehetra. Taona maro tatỳ aoriana, nandritra ireo taona 1850, dia nisy fanitsiana natao. Tsy nilaina intsony ny hanaovana batisa ny Soedoà; na dia izany aza anefa dia noheverina ho mpikambana tamin’ny Fiangonana Loteriana ihany izy ireo. Koa satria izany no izy ny amin’izy ireo, dia notakina ny hanomezan’izy ireo ny 1 isan-jaton’ny karamany andoavan-ketra, mba hanohanana ny fiangonana sy handoavana ny saran’ny asa sivily nataon’ny fiangonana. Vao haingana kokoa, dia nisy fiovana hafa nitranga. Nanomboka tamin’ny 1952, ny Soedoà dia afaka niala ara-dalàna tamin’ny fiangonana, ka amin’izany izy dia ho afaka amin’ny fandoavana ny ampahany lehibe amin’ny hetram-piangonana.
Nihavotsotra hatrany ny fahefana teo am-pelatanan’ny Fiangonana Loteriana tany Soeda, tato anatin’ireo taona faramparany. Tsy azo nialana izany, satria ny 10 isan-jaton’ny mponina any Soeda dia mpiavy tsy loteriana, anisan’izany ny Jiosy, ny Katolika, sy ny Silamo. Noho izany, teo am-piandohan’ny taona 1996, dia 86 isan-jaton’ny Soedoà monja no anisan’ny Fiangonana Loteriana, ary mihena hatrany ilay isa.
Manao tery vay manta hampisy elanelana eo amin’ny Fiangonana sy ny Fanjakana ny tsy firaharahana mihamitombo. Efa nambara sahady fa tsy voatery ho loteriana ny mpanjaka, ary tsy heverina avy hatrany ho mpikambana amin’ny Fiangonam-pirenena Loteriana ny zanaka nateraky ny ray na reny loteriana. Fanampin’izany, araka ny The Dallas Morning News, amin’ny taona 2 000, dia “tsy maintsy manombam-bidy sy mizara fananana tsy toko tsy forohana ny paroasy eo an-toerana sy ny fanjakana. Ny fiangonana dia tsy maintsy mampihena ilay teti-bolany isan-taona 1 680 tapitrisa dolara, izay azony amin’ny alalan’ny hetra ny ankabetsahany”. Rehefa ho nivalona itỳ taonjato itỳ, dia ny fiangonana no hanendry ny evekany.
Raha mbola mamely ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana ny tsy firaikana sy ny fihenan’ny mpikambana, dia miroborobo hatrany kosa ny Vavolombelon’i Jehovah. Manao tatitra ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 1997 fa misy 24 487 ny mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra ao amin’io tany io, ary efa ho ny 10 isan-jato amin’izy ireo no mitory amin’ny maha-minisitra mpisava lalana manontolo andro azy. Maro amin’izy ireo no miezaka handroso ho amin’ny tombontsoam-panompoana lehibe kokoa. Ohatra, nandritra ny fivoriamben’ny distrikan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1995, dia nisy mpivady 20 nandefa fangatahana mba hahazoana fiofanana ho misionera ao amin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower. Tamin’io fotoana io, dia nisy tokony ho 75 ny Soedoà efa nahazo diplaoma tamin’ireo kilasy taloha, ka nanao ny fanompoan’ny misionera tany amin’ny faritra samy hafa teo amin’izao tontolo izao. Tsy isalasalana fa ny ohatra tsara dia tsara nomen’izy ireo, mbamin’ny taratasy sy ny fitsidihana mampahery nataony dia misy vokany mandrisika eo amin’ireo izay mikendry an’io tombontsoa lehibe io ankehitriny.
Araka izany, raha mbola mijaly noho fahoriam-panahy ny olona an-tapitrisany maro ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, ny Vavolombelon’i Jehovah kosa dia ‘mihoby noho ny faharavoam-po’. — Isaia 65:13, 14.
[Sarintany, pejy 30]
Soeda