FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w97 1/3 p. 32
  • Iza no Mifehy Azy?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Iza no Mifehy Azy?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
w97 1/3 p. 32

Iza no Mifehy Azy?

“IZA no manapaka itỳ tontolo itỳ?” Raha ametrahan’olona an’izany fanontaniana izany ianao, inona no havalinao? Mpivavaka maro no mety hiteny hoe “Andriamanitra” na “Jesosy”. Nanome valiny tsy ampoizin’ny maro ny lahatsoratra iray nivoaka tao amin’ny The Freeport News, gazety iray any Bahamas.

“Nahita taratasy mivalona iray teo an-tokonam-baravarako aho”, hoy ny mpanoratra an’ilay lahatsoratra, teo am-panombohana. “Mazàna, dia minia tsy miraharaha fampitan-kevitra toy izany aho, nefa tamin’itỳ indray mandeha itỳ, dia nanapa-kevitra ny hamaky azy io aho. Nametraka izao fanontaniana izao ilay lohateny: ‘Iza Marina no Manapaka Ity tontolo Ity?’ ”. Rehefa namaky an’ilay taratasy mivalona miorina amin’ny Baiboly io vehivavy io, dia nahafantatra fa ny mpanapaka an’itỳ tontolo itỳ dia, tsy Andriamanitra na i Jesosy, fa i Satana Devoly. — Jaona 12:31; 14:30; 16:11; 1 Jaona 5:19.

“Diniho ireo fahasiahana maharikoriko atao amin-kamafiam-po mihoa-pampana”, hoy ny hazavain’ilay taratasy mivalona. “Nampiasa ireo efitra famonoana amin’ny gaza, toby fitanana, mpandefa lelafo, bomba vita amin’ny napalm, ary fomba mahatsiravina hafa, ny olombelona, mba hifampijaliana na hifamonoana amin’ny fomba tsy mifaditra ovana. (...) Hery inona no manosika azy ireo hanao zavatra mahavoafady toy izany, na hanao izay hahatongavany hatramin’ny tarehin-javatra izay hahatsiarovany tena ho voatery hanao zavatra feno habibiana? Mba efa nanontany tena ve ianao raha toa ka misy hery ratsy tsy hita maso mitaona ny olona hanao zavatra feno herisetra toy izany?” Mahagaga ve raha miantso an’i Satana hoe “andriamanitr’izao tontolo izao” ny Baiboly? — 2 Korintiana 4:4.

Soa ihany fa akaiky ny fotoana tsy hisian’i Satana sy ireo demoniany intsony. “Mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.” (1 Jaona 2:17). Eny, mampanantena ny Baiboly fa ireo izay manao ny sitrapon’Andriamanitra dia hanana fanantenana ny hiaina mandrakizay ao amin’ny tontolo iray vaovao sy marina. (Salamo 37:9-11; 2 Petera 3:13; Apokalypsy 21:3, 4). Ho toy inona moa ny fanamaivanana rehefa ho voaesotra ny fitaoman-dratsin’i Satana sy ireo demoniany!

Rehefa avy namintina ny tao anatin’ilay taratasy mivalona kely ny mpanoratra an’ilay lahatsoratra tao amin’ny The Freeport News, dia namarana ny teniny toy izao: “Tena faly aho namaky an’io taratasy mivalona io (...) satria izaho koa dia feno fanahiana ny amin’ny toe-javatra eo amin’izao tontolo izao, sy ny hoe iza no mifehy azy.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara