FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w97 15/2 p. 32
  • Ny Fahamarinana Momba ny Afobe

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Fahamarinana Momba ny Afobe
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
w97 15/2 p. 32

Ny Fahamarinana Momba ny Afobe

MANAMBARA ny tatitra nataon’ny vaomiera misahana ny foto-pampianarana ao amin’ny Eglizy Anglikana fa tsy toerana misy afo mirehitra araka ny niheverana azy akory ny afobe; toerana ara-teoria fotsiny mampiseho ny tsy fisiana kosa izy io. “Misy antony maro nahatonga io fiovana io”, hoy ny hazavain’ilay tatitra. “Anisan’ireny anefa ny fanoheran’ny saina ny fivavahana iray miorina amin’ny tahotra, dia fanoherana sady avy ao anatin’ny finoana kristiana no avy any ivelany. Teo koa ny fitomboan’ny fahatsapana fa mifanipaka be amin’ny fanambarana ny fitiavan’Andriamanitra ao amin’i Kristy ny fiheverana an’Andriamanitra ho nandefa olona an-tapitrisany maro tany amin’ny fampijaliana mandrakizay.”

Tsy ny Eglizy Anglikana ihany no tsy mahazoazo io fomba fijery mahazatra momba ny afobe io. Olona maro avy amin’ny fivavahana samihafa no mahita fa sarotra ny mivavaka amin’ny Andriamanitra iray mpamaly faty, izay mandoro ireo mpanota. “Mitady Andriamanitra iray izay maneho firaiketam-po sy mangoraka ary maha-te ho tia ny olona”, hoy i Jackson Carroll, mpampianatra fivavahana sy fiaraha-monina ao amin’ny Duke University’s Divinity School. “Mifanohitra amin’ny fisainana amin’izao andro izao ny miresaka momba ny ota sy ny heloka.”

Ninoan’ny Vavolombelon’i Jehovah hatramin’ny ela fa ny afobe, araka ny ampianaran’ny Baiboly azy, dia ny fasana iombonan’ny olona maty fotsiny — fa tsy toerana fampijaliana iray misy afo. Manana io fomba fijery io izy ireo, tsy hoe satria be mpitia izany, fa noho izay lazain’ny Baiboly toy izao: “Fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona, (...) fa tsy misy asa na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin’ny fiainan-tsi-hita [“afobe”, Dikan-tenin’i Douay, katolika]”. — Mpitoriteny 9:5, 10.

Rehefa nahatakatra mazava ny toetran’ny maty i Charles Taze Russell, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower voalohany, dia izao no nosoratany tamin’ny 1896: “Tsy mahita toerana fampijaliana mandrakizay toy izany mihitsy isika [ao amin’ny Baiboly], araka ny ampianarina amin’ny fomba diso ao amin’ireo zavatra inoana sy ireo boky misy fihiram-pivavahana sy ireo toriteny maro. Etsy an-danin’izany isika dia nahita ‘afobe’ iray, sheola, hadesy, izay nanamelohana antsika taranak’olombelona rehetra noho ny fahotan’i Adama, ka nanavotana antsika rehetra tamin’ny alalan’ny fahafatesan’ny Tompontsika; ary io ‘afobe’ io dia ny fasana — ny toe-pahafatesana.”

Araka izany, dia efa maherin’ny zato taona no nampianaran’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fahamarinana ara-baiboly momba ny afobe.

[Sary, pejy 32]

Charles T. Russell

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara