Fanontanian’ny Mpamaky
Araka ny tatitra mpanome vaovao, dia misy hopitaly mitahiry ny ahitra sy ny tadim-poitra aorian’ny fahaterahan’ny zazakely iray, mba hakana zavatra avy amin’ny ra ao amin’izy ireny. Tokony hampanahy ny Kristiana ve izany?
Any amin’ny toerana maro, dia tsy mitranga ny zavatra toy izany, koa tsy mila ny hanahy ny Kristiana. Raha misy tena antony hinoana fa manaraka izany fanao izany ny hopitaly hiterahan’ny Kristiana iray, dia hety ny hilazany fotsiny amin’ilay dokotera fa tokony hariana, fa tsy hampiasaina na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana, ny ahitra sy ny tadim-poitra.
Misy zavatra maro samihafa ampiasaina amin’ny fitsaboana azo avy tamin’ny tenan-javatra biolojika, avy amin’ny biby na olombelona. Ohatra, nisy hormonina sasany nalaina avy tamin’ny fivalanan-dranon’ny soavaly bevohoka. Avy tamin’ny ran-tsoavaly no nakana ny seroma fanefitry ny tetanosy, ary ny gammaglobuline natao hiadiana amin’ny aretina, dia efa hatramin’ny ela no azo avy tamin’ny ra ao amin’ny ahitr’olombelona (ny tavony). Nisy hopitaly sasany nitahiry tao anatin’ny ranomandry ny ahitra, izay nangonin’ny laboratoara mpanamboatra fanafody iray, tatỳ aoriana mba ho azo amboarina hahazoana gammaglobuline, ilay ra nisy mpisetra (anticorps) betsaka.
Vao haingana kokoa, dia nisy mpikaroka nilaza ho nahomby tamin’ny fampiasana ny ra avy tamin’ny tavony, mba hitsaboana karazana kanseran’ny ra iray, ary noheverina fa io ra io dia mety hilaina amin’ny fitsaboana aretina sasany mpahazo ny rafi-kery fanefitra, na hampiasaina ho solon’ny famindrana tsokan-taolana. Noho izany, dia nisy resaka nandeha ny amin’ny ray aman-dreny izay nampaka ny ra avy tamin’ny tavonin-janany mba hotahirizina tao anatin’ny ranomandry, sao mety hilaina amin’ny fitsaboana an’io zanany io izany, taona maro atỳ aoriana.
Ny fitrandrahana ny ra ao amin’ny ahitra toy izany mba hahazoana tombony, dia tsy manintona velively ny Kristiana marina izay mampifanaraka ny fisainany amin’ny lalàna tanteraka avy amin’Andriamanitra. Ny Mpamorona antsika dia mihevitra ny ra ho masina, mampiseho ny aina nomen’Andriamanitra. Ny hany fampiasana ny ra nanomezany lalana dia teo ambonin’ny alitara, nifandray tamin’ny sorona. (Levitikosy 17:10-12; ampitahao amin’ny Romana 3:25; 5:8; Efesiana 1:7.) Raha tsy izany, dia tsy maintsy nararaka tamin’ny tany, nariana, ny ra nesorina avy tamin’ny zavaboary iray. — Levitikosy 17:13; Deoteronomia 12:15, 16.
Rehefa mihaza biby ny Kristiana, na mamono akoho amam-borona na kisoa, dia alatsany ny rany ary ariany. Tsy voatery handraraka azy io amin’ny tany ara-bakiteny izy, satria ilay hevi-dehibe dia hoe ariany ilay ra fa tsy ampiasainy na amin’inona na inona.
Ny Kristiana izay miditra hopitaly dia mino fa ariana ireo zavatra biolojika nesorina tamin’ny tenany, na ny maloto avy amin’ny vatana izany, na tambatsela marary, na ra. Marina fa mety hampanao analizy sasany aloha ny dokotera, toy ny an’ny fivalanan-drano, ny aretina ao amin’ny tambatsela misy fivontosana, na ny ra. Rehefa vita anefa izany, dia ariana ireo zavatra ireo, mifanaraka amin’ny lalàna eo an-toerana. Mazàna ny marary any amin’ny hopitaly no tsy mila manao fangatahana manokana ho amin’izany, satria sady mampiseho fahazavan-tsaina no mampiseho fahamalinana eo amin’ny lafiny fitsaboana ny fanariana ireny zavatra biolojika ireny. Raha manana antony marim-pototra isalasalana ny amin’ny fanarahana fanao ara-dalàna toy izany ny marary iray, dia azony atao ny manambara izany amin’ilay dokotera voakasika, ka milaza fa noho ny antony ara-pivavahana, dia tiany ny hanariana ny zavatra rehetra toy ireny.
Kanefa, araka ny voambara, dia mahalana izy io no mampanahy ny marary amin’ny ankapobeny, satria any amin’ny toerana maro, dia tsy heverina akory, na atao ho fahazarana, ny fakana zavatra avy amin’ny tavony, na zavatra biolojika hafa mba hampiasaina indray.
Ilay lahatsoratra hoe “Aoka Isika Hankahala ny Ratsy” nivoaka tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Janoary 1997, dia toa nifantoka tamin’ny “pédophilie”. Ahoana no tokony hamaritana an’io fanao io?
Ny rakibolana iray dia mamaritra ny “pédophilie” ho “firaisana vetaveta, atao amin’ankizy indrindra indrindra”. Melohina ao amin’ny Deoteronomia 23:17, 18 (NW ) ireo endriny amin’io fanao io. Ao Andriamanitra dia nanameloka ny fahatongavana ho mpivaro-tenan’ny tempoly (“na ‘katamita’, ankizilahy kely hazonina mba hanaovana firaisana vetaveta”, fanamarihana ambany pejy). Ireo andininy ireo koa dia mandrara ny olona tsy hitondra “ao an-tranon’i Jehovah” ny karaman’“alika” (“azo inoana fa pederasta, olona manao firaisana amin’ny lava-pitombenana, indrindra fa amin’ankizilahy kely”, fanamarihana ambany pejy). Ireo fakan-teny ao amin’ny Soratra Masina sy fakan-teny tsy ara-pivavahana ireo dia manamarina fa izay noresahin’ny Ny Tilikambo Fiambenana dia ny fametavetana ankizy, ka tafiditra amin’izany ny fandrokidrokiana ataon’ny olon-dehibe iray.