Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana
Fanatratrarana ny Karazan’olona Rehetra Amin’ny Alalan’ny Fahamarinana
MPITORY ny Fanjakan’Andriamanitra be zotom-po ny apostoly Paoly. Tsy namela ny fanoherana hanakantsakana ny fanirahana azy hitory “ny vaovao tsara” izy. (1 Korintiana 9:16, NW; Asan’ny Apostoly 13:50-52). Nampirisika mafy ny hafa mba hanaraka ny ohatra nomeny i Paoly. — 1 Korintiana 11:1.
Fantatra maneran-tany noho ny ezaka amim-pahatapahan-kevitra ataony mba hitoriana, ny Vavolombelon’i Jehovah. Eny tokoa, miresaka amin’ny hafa izy ireo, na amin’ny “vanim-potoana mora” na amin’ny “vanim-potoana sarotra”, mba hanatanterahana ilay asa nandidian’Andriamanitra azy ireo ‘hanao mpianatra’. (2 Timoty 4:2, NW; Matio 28:19, 20). Na dia any amin’ny tany ahitan’izy ireo fanoherana aza, dia misy olona tso-po tratra amin’ny alalan’ilay hafatra lehibe indrindra momba ny Fanjakan’Andriamanitra, araka ny asehon’ireto zavatra niainana manaraka ireto.
◻ Tany amin’ny nosy iray any Pasifika andrefana, izay andrarana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia nisy zazalahy iray 12 taona nahamarika fa voahodidin’ny naman-dratsy izy tany an-tsekoly. Maro tamin’ireo mpiara-mianatra taminy no nanana fahazarana nifoka sigara, namaky boky feno sary vetaveta, nanorisory ny mpampianatra, sy rafitra niady. Niharatsy aoka izany ilay tarehin-javatra, hany ka nangataka tamin-drainy ilay zazalahy raha nahazo nifindra sekoly izy. Nanjohy hevitra tamin’ilay zanany anefa ilay ray mba tsy hanaraka izany hevitra izany, satria noheveriny fa tsy ho hafa akory ny fitondran-tenan’ireo mpianatra tany amin’ireo sekoly hafa teny akaiky. Kanefa, ahoana no hanampiany ilay zanany?
Tsaroan’ilay ray fa nanana boky iray ho an’ny tanora izy tao an-trano. Fanomezana avy tamin’ny havana iray Vavolombelon’i Jehovah ilay izy. Koa nitady ilay boky izy, ary rehefa hitany, dia nomeny ny zanany. Mitondra ny lohateny hoe Manontany ny Tanora — Valiny Mandaitra ilay izy.a Hitan’ilay zazalahy fa nanampy indrindra ilay toko hoe “Ahoana no Ahazakako ny Faneren’ireo Mitovy Taona Amiko?” Tsy vitan’ny hoe nampianatra azy ny maha-zava-dehibe ny fihazonana ny hajan’ny tenany izy io, fa nampianatra azy koa ny fomba hilazana tamim-pahaiza-mandanjalanja hoe tsia, rehefa nitady hanery azy hanaraka lalam-pitondran-tena tsy naneho fahendrena ny hafa. Tamin’ny fampiharana ireo fotopoto-pitsipiky ny Soratra Masina hita ao amin’ilay boky, dia nianaran’ilay tovolahy ny fomba niatrehana tamim-pahombiazana ny faneren’ny nitovy taona taminy.
Nahamarika ireo fiovana ireo sy ireo fiovana hafa azo notsapain-tanana teo amin’ilay zanany lahy ilay ray ka nanapa-kevitra ny hamaky ilay boky. Nanaitra ny sainy ny torohevitra azo ampiharina hita ao amin’ilay boky, hany ka nangataka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah fampianarana Baiboly tao an-tokantranony izy. Tatỳ aoriana, dia niaraka taminy tamin’ilay fianarana ireo mpianakaviny hafa. Ny vokany? Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny ilay zazalahy sy ny zandriny lahy sy ny rainy ary ny raibeny aman-drenibeny.
◻ Tao amin’io tany io ihany, dia nampidirina am-ponja ny Vavolombelon’i Jehovah roa noho ny nankatoavany tamin’ny fomba hentitra ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly. Kanefa, tsy namela ny tarehin-javatra nisy azy hisakana azy tsy hiresaka tamim-pahasahiana momba ny Fanjakan’Andriamanitra izy ireo. Nanatona manam-pahefana iray tao amin’ilay fonja izy ireo, ary nahazo lalana mba hankalaza ny fahatsiarovana ny Sakafo Harivan’ny Tompo tao. Toy inona moa ny fifalian’izy ireo rehefa nisy voafonja 14 naneho fahalianana tamin’ny Baiboly ary niaraka taminy tamin’io fisehoan-javatra lehibe io! Taorian’ny nanafahana azy, ny sasany tamin’ireo voafonja dia nanohy nianatra ny Baiboly ka nifanerasera tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah.
Any amin’ny tany maherin’ny 25, dia miaritra ny mafy ny Vavolombelon’i Jehovah, vokatry ny fandrarana na ny endriny samihafa amin’ny fanoherana na fanenjehana. Tahaka an’ireo apostoly anefa, dia ‘tsy mitsahatra mampianatra sy mitory an’i Jesosy ho Kristy’ izy ireo. — Asan’ny Apostoly 5:42.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.