FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w97 15/1 p. 32
  • Fanambarana avy Amin’Andriamanitra Avokoa Ve?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanambarana avy Amin’Andriamanitra Avokoa Ve?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
w97 15/1 p. 32

Fanambarana avy Amin’Andriamanitra Avokoa Ve?

MOA ve ny fanahin’Andriamanitra, izay nanaovana tsindrimandry ny Baiboly Masina, nety ho nandray anjara koa tamin’ny fanoratana boky hafa heverin’ny sasany ho masina? (2 Timoty 3:16). Nampipoitra io fanontaniana io ny gazety zezoita italiana iray (La Civiltà Cattolica), avoaka “eo ambany fanaraha-mason’ny Sekretariam-panjakana [ao Vatikana]”, ary, noho izany, dia heverina ho manam-pahefana eo amin’ny sehatra katolika.

“Nampiely ny voan’ny Teny, na dia tao amin’ny boky masina sasany izay araka ny lovantsofina tsy jiosy sy tsy kristiana aza, Andriamanitra, tamin’ny alalan’ny fiasan’ny Fanahy Masina”, hoy ilay gazety zezoita. Amin-dry zareo Zezoita, ireo boky “masina”, toy ny Avesta zoroastriana na ny Boky Efatra avy tamin’i Confucius, dia nosoratana, “tsy hoe tsy nisy fitaomana manokan’ny Fanahy Masina, ary, noho izany, amin’ny ampahany kely, dia mirakitra ‘fanambarana avy amin’Andriamanitra’.”

Kanefa, manome fanazavana ny heviny ilay lahatsoratra. “Tsy izay rehetra raketin’ny boky masina toy ireny akory dia tenin’Andriamanitra avokoa”, hoy ny nambarany, sady nanampy teny izy io fa ireo izay nanoratra ireo boky ireo dia mety ho “niharan’ny fitaoman’ny tontolo mpivavaka tamin’andriamanitra maro na ny rivo-piainana filozofika” niainan’izy ireo sy nanaovany zavatra. Araka ny voalazan’i Marco Politi, masoivoho misahana ny raharahan’i Vatikana, masoivohon’ilay gazety italiana hoe La Repubblica, io hevitra ijoroana io dia “manokatra zavatra mety hitranga tsy azo noeritreretina teo aloha, raha ny amin’ny fifandraisana eo amin’ny Eglizy Katolika sy ireo fivavahana lehibe hafa ara-tantara”, ka hiverina ho amin’ilay toe-tsaina tao amin’ireo fivoriana nanaovam-bavaka fampiraisam-pinoana samihafa, toy ny tany Assise tamin’ny 1986, izay notohanan’i Jean Paul II mafy.

Tsy Andriamanitry ny fikorontanana sy ny fisafotofotoana i Jehovah. (1 Korintiana 14:33, NW ). Koa tsy afaka manatsoaka hevitra ara-drariny àry isika hoe ny fanahiny masina, na ny heriny miasa, dia hanome tsindrimandry na dia ampahany kely aza amin’ny boky na inona na inona tsy mifanaraka amin’ny fomba feno amin’ny Teniny, ny Baiboly. Tsy nampirisika ny amin’ny fifanatonana eokiomenika eo amin’ny “lovantsofina ara-pivavahana” samy hafa i Paoly apostoly kristiana, fa nanoratra kosa fa ‘iray ny fanantenana; iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa’. — Efesiana 4:4, 5.

Mifamatotra amin’ny fananana finoana an’i Jesosy Kristy io “fanantenana iray” io. Mety ny anambaran’ny Baiboly hoe: “Tsy misy famonjena amin’ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena.” (Asan’ny Apostoly 4:12). Tsy misy “boky masina” hafa mampiseho an’i Jesosy ho mitana ny toerana lehibe indrindra eo amin’ny fanatontosana ny fikasan’Andriamanitra. Raha manaiky ny Baiboly ho Tenin’Andriamanitra ihany isika vao afaka mampianatra antsika momba ny fandaharana feno fitiavana nalamin’i Jehovah Andriamanitra mba hahazoana famonjena, izy io. — Jaona 17:3; 1 Tesaloniana 2:13.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara