FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w96 15/11 p. 32
  • ‘Liana Amin’ny Fanampiana ny Hafa Izy Ireo’

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • ‘Liana Amin’ny Fanampiana ny Hafa Izy Ireo’
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
w96 15/11 p. 32

‘Liana Amin’ny Fanampiana ny Hafa Izy Ireo’

IZANY no nambaran’ny polisy iray tao New York momba ny Vavolombelon’i Jehovah. Niresaka tamin’i Kathleen, iray amin’ireo mpiasa an-tsitrapo manontolo andro manompo ao amin’ny foibe maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah ao Brooklyn, New York, izy.

Nandritra ny sakafo antoandro, tamin’ny andro nafana sady nibaliaka iray tamin’ny fararano, dia nipetraka teo amin’ny seza iray tao amin’ny Toerana Fandehandehanana (Promenade) teo akaiky teo izy. Teo am-pihainoana walkman izy. Teo amin’ny toeram-piantsonan’ny helikoptera, ampitan’ny East River, dia nisy fiomankomanana natao ho amin’ny fiaingan’ny papa, izay tonga nitsidika ilay tanàna. Henjana ireo fepetra fiarovana hatraiza hatraiza, ary nisy polisy maro nanao fisafoana teny amin’ny Promenade. Nanatona an’i Kathleen ny iray tamin’izy ireo ka nanontany azy izay nataony. Namaly toy izao i Kathleen: “Mihaino cassette amin’ny teny rosiana aho. Vavolombelon’i Jehovah mantsy aho ary maniry hianatra ny teny rosiana mba hahafahako hizara ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny olona miteny rosiana, izay tonga mipetraka eto an-tanàna.”

Namaly ilay polisy fa nitombo ny fiderany ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra ireo 15 taona farany tamin’ny naha-polisy mpisafo azy tao New York. Hoy izy: “Izaho dia mihevitra ny Vavolombelon’i Jehovah ho fivavahana iray voalamina, izay liana amin’ny fanampiana ny hafa eo amin’ny fiaraha-monina, ny mpikambana ao aminy.”

Fantatra maneran-tany noho ny asa fitoriana isan-trano ataony ny Vavolombelon’i Jehovah. (Asan’ny Apostoly 20:20). Raha mbola manondro ny Fanjakan’Andriamanitra ho ny hany vahaolana amin’ireo zava-manahirana mampahory ny olombelona izy ireo, dia manampy ny olona koa hanatsara ny toe-piainany, amin’ny fampirisihana azy ireny hampihatra eo amin’ny fiainany andavanandro ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly. Ny Vavolombelona, ohatra, dia mampirisika mafy ny ray aman-dreny mba hampisy rivo-piainana mampandroso ny fianarana, ao an-tokantrano. Izy ireo dia mampirisika ny olona hanao ny marina sy hanara-dalàna, mampirisika azy ireny hahazo ireo fahaizana sy toetra izay hitan’ny mpampiasa ho sarobidy.

Eny, tena liana fatratra amin’ny fanampiana ny olona eo amin’ny fiaraha-monina hanatsara ny fiainany ny Vavolombelon’i Jehovah. Asaina amin-kafanam-po ianao hamaly ny fanolorana manaraka.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara