Nohamafisina Indray ny Zo ho Amin’ny Fanekena Atao Amim-pahalalana Tsara
NY DIDIM-PITSARANA iray vao haingana navoakan’ny Mpitsara Mpanao Famotorana Mialoha ao amin’ny Tribonalin’i Messine, any Italia, dia nanamafy indray fa ireo mpitsabo dia voafehin’ny lalàna hanaja ny fanirian’ny marary olon-dehibe iray eo amin’ny fitsaboana. Navoaka tamin’ny raharaha izay nahakasika Vavolombelon’i Jehovah iray, ilay didim-pitsarana.
Tamin’ny Janoary 1994, dia naiditra hopitaly haingana tao Taormina, any Messine, i Antonino Stellario Lentini, Vavolombelona iray 64 taona izay hemôfila. Nohazavain’i Catena, vadin’i Antonino, tamin’ireo mpiasan’ny hopitaly fa amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah azy, dia tsy hanaiky fitsaboana ampiasana fampidiran-dra izy sy ny vadiny. (Asan’ny Apostoly 15:20, 28, 29). Nohajaina ny fanirian’izy ireo.
Kanefa, nandritra ny famindrana an’i Antonino nankany amin’ny toeram-pitsaboana hafa iray dia nijanona ny fisefony ka notandindomin-doza ny ainy rehefa tonga tany. Tsy ela taorian’izay dia maty izy. Nivalaketraka i Catena, nefa nahita fampiononana lehibe tamin’ny fampanantenan’ny Baiboly fitsanganana amin’ny maty izy. (Asan’ny Apostoly 24:15). Gaga be i Catena taorian’izany, fa ireo mpitsara — angamba voafitaky ny vaovao tsy marina naelin’ny fampitam-baovao — dia niampanga azy ho nahatonga ny fahafatesan’ny vadiny, noho ny fandavany fandidiana iray ho an’ny vadiny, fandidiana izay noheverin’ireo mpitsabo ho tena nilaina.
Taorian’ny herintaona mahery, tamin’ny 11 Jolay 1995, dia nafahana madiodio i Catena satria tsy nisy heloka nataony mihitsy. Raha ny marina, dia nohazavain’ny fanambaran’ireo manam-pahaizana fa, rehefa heverina ny toe-javatra nisy ilay marary, dia tsy ho nilaina mihitsy ny fandidiana.
Ny fanambarana nataon’ilay mpitsara anefa no nanondro ilay zavatra niadian-kevitra lehibe indrindra. Sarotra ekena, hoy izy nanazava, ilay hevitra fa tsy maintsy miditra an-tsehatra ny mpiasan’ny fitsaboana rehefa lavin’ny marary na izay olona misolo tena azy ny fitsaboana iray. Ny lalàna momba ny adidy moraly ara-pitsaboana eto Italia, hoy ny teny nanampiny, dia “mahita mialoha ny ilana hahazo ny fanekena atao amim-pahalalana tsara avy amin’ilay olona voakasika, alohan’izay rehetra mety ho fandidiana”. Araka izany, dia nambarany fa “nisakana ara-dalàna ny vadiny tsy hampiharana fandidiana toy izany”, i Catena.
Io didim-pitsarana io dia nanamafy indray ny zon’ny olon-dehibe iray tsy hanaiky fitsaboana izay mifanohitra amin’ny faniriany.