“Anisan’ny Fianakaviana Iray Ihany Isika Rehetra”
TAO anatin’izao taona faramparany izao dia niely patrana naneran-tany ny fitsarana an-tendrony ara-pivavahana sy ny fanavakavaham-bolon-koditra. Nampirisika ny famonoana olona, ny fampijaliana sy ny habibiana hafa mahamenatra, ny tsy fitoviana ara-pirazanana. Araka ny tatitra iray nataon’ny Amnesty International, dia nanery olona naneran-tany maherin’ny 23 tapitrisa, handositra ny fonenany, ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona tamin’ny 1994.
Tatsy Rwanda fotsiny, dia olona 500 000 teo ho eo no naripaka ary maherin’ny 2 000 000 hafa no nanjary mpitsoa-ponenana taorian’ny herisetra nipoaka teo amin’ny Tutsi sy Hutu. “Nenjehina indrindra ny Vavolombelon’i Jehovah”, hoy ny tatitra nataon’ilay gazety belza Le Soir, “noho ny fandavany tsy hitondra basy.” Ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy miditra amin’ny ady ampiasana fitaovam-piadiana. Na dia izany aza, dia an-jatony maro taminy no maty tamin’ilay herisetra. Izany dia mampahatsiahy antsika ny tenin’i Jesosy tamin’ireo mpianany toy izao: “Satria tsy naman’izao tontolo izao hianareo, (...) dia halan’izao tontolo izao hianareo.” — Jaona 15:19.
Ny fianakaviana Vavolombelona iray — Eugène Ntabana mivady sy ny zanany roa — dia nipetraka tao Kigali renivohitra. Rehefa nanazava tamin’ireo mpifanila trano taminy ny fialanalanana kristiana tanany i Eugène, dia matetika niresaka momba ny laingomena, zavamaniry mandady iray izay mandrobona any amin’ny toe-tany mafana. — Matio 22:21.
“Eto Kigali”, hoy i Eugène nanazava, “dia manome voninkazo mena, mavokely ary indraindray fotsy ny laingomena. Kanefa, dia samy anisan’ny karazany iray ihany izy rehetra. Mitovy amin’izany ny amin’ny olombelona. Na dia mety ho manana firazanana sy volon-koditra na fiaviana ara-poko samy hafa aza isika, dia samy anisan’ny fianakaviana iray ihany isika rehetra, dia ny fianakavian’olombelona.”
Mampalahelo fa na dia teo aza ny toetrany tia fihavanana sy ny fialanalanany, dia novonoin’ny vahoaka romotra lian-dra ny fianakaviana Ntabana. Na dia izany aza, dia maty nahatoky izy ireo. Afaka matoky isika fa hanatanteraka ny fampanantenany amin’ny olona toy izany i Jehovah Andriamanitra, ary hatsangana amin’ny maty izy ireo mba handova tontolo iray izay tsy hisian’ny fitsarana an-tendrony intsony. (Asan’ny Apostoly 24:15). Amin’izay, ny fianakaviana Ntabana, miaraka amin’ireo hafa, dia “hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana”. — Salamo 37:11.