Gazety Iray Manohina ny Fo
GAZETY tsy tambo isaina no avoaka maneran-tany mba hanomezana fahafaham-po ny fahalianan’ny mpamaky hahita fanazavana na fialam-boly.
Inona no mahatonga ny gazety eny an-tananao hiavaka aoka izany? Ny taratasy manaraka, izay voarain’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower, any Alemaina, dia mety hanome ny valiny:
“Misaotra anareo be dia be ranadahy malala, noho ny ezaka sy ny asa ataonareo. Rehefa niverina avy tany amin’ny fivoriana izahay sy ireo zanako mirahalahy, dia tsy maintsy nihaino fotsiny Ny Tilikambo Fiambenana [tamin’ny cassette] farany indrindra aho, na dia efa tamin’ny 9 ora sy sasany alina aza. Teo am-panasana vilia aho, dia nanomboka nihaino ny lahatsoratra voalohany natao hianarana (1 Aprily 1995). Tsapako fa tsy maintsy nihaino azy io indray mandeha indray aho, koa najanoko ny raharahako tao an-dakozia ary narahiko ny famakiana ilay lahatsoratra [“Sarobidy eo Imason’Andriamanitra Ianao!”] tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana niaraka tamin’ilay cassette. Nanohina ny foko indrindra ny fehintsoratra fahefatra sy fahadimy. Ary nanomboka nirotsaka ny ranomaso tamin’izay — nefa tsy ela. Velom-pankasitrahana an’i Jehovah aho fa velon’aina sady anisan’ny vahoakany sy afaka mampahafantatra ny anarany, miaraka amin’ny olona hafa maro aoka izany. Tsy misy antony tokoa hahatsiarovana ho tsy misy vidiny. Momba ny vahoakany ny fanahin’i Jehovah. Enga anie isika rehetra hiaritra sy hijoro miorina mafy ao amin’ny finoana, toy ny olona iray. Amim-pitiavana kristiana, ny anabavinareo ao amin’ny finoana.”
Manome mihoatra noho ny fanazavana Ny Tilikambo Fiambenana. Manohina ny fon’ireo mpamaky azy izy io ary manome fahafaham-po ny faniriany sakafo ara-panahy sy fampaherezana amin’ny fotoana ilana azy. Eny, manome ‘sakafo amin’ny fotoana mety’ Ny Tilikambo Fiambenana. — Matio 24:45, NW.