Miala Tsiny ny Mpitsara Taloha Iray — 45 Taona atỳ Aoriana
TAO amin’ny efitra fitsarana iray any Berlin, tamin’ny Aogositra 1995, dia nisy mpitsara taloha iray tao amin’ny Fitsarana Tampony naneho tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah iray ny nenina be vava tsapany noho ny tsy nety nataony 45 taona lasa izay.
Tamin’ny Oktobra 1950, ny Fitsarana Tampony tany amin’ny Repoblika Demokratikan’i Alemaina (RDA) dia nanambara Vavolombelon’i Jehovah sivy ho meloka nanao fanakorontanana sy asa fitsikilovana nanohitra ny fanjakana. Ny roa dia nosazina higadra mandra-pahafatiny, ary ireo fito hafa — anisan’izany i Lothar Hörnig, 22 taona, voampanga fahefatra avy any an-kavanana eo amin’ny sary — dia nomena sazy an-tranomaizina naharitra.
Efapolo taona atỳ aoriana, dia nanjary anisan’ny Repoblika Federalin’i Alemaina i RDA. Nanomboka teo dia nisy manam-pahefana namotopototra momba ny sasany tamin’ireo tsy rariny natao tany RDA teo aloha, ka niezaka hampiakatra fitsarana an’ireo tompon’andraikitra tamin’izany. Ny tsy rariny iray toy izany dia ny nitsaran’ny Fitsarana Tampony an’ireo Vavolombelona ireo tamin’ny 1950.
I A. T., izay 80 taona ankehitriny, no iray tamin’ireo mpitsara telo izay namoaka didim-pitsarana rehefa nentina teo amin’ny fitsarana ireo Vavolombelona sivy. Nampangaina ho namadika ny rariny izy izao ka niseho teo anatrehan’ny Fitsaram-paritra any Berlin mba hanazava ny didim-pitsarana navoakany.
Tamin’ny fanambarana nataony tamin’ny fitsarana, ilay mpitsara taloha dia niaiky fa nandatsa-bato ho amin’ny didim-pitsarana fanamelohana izy, 45 taona lasa izay, na dia nankasitraka didim-pitsarana nalefaka kokoa aza. Nahatonga azy hieritreritra indray anefa ilay fitsarana. Nahoana? Nenjehin’ny Nazia ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra ny ady lehibe faharoa satria nanda tsy hanohana an’i Hitler. Taorian’ny ady dia nenjehin’ny fitondram-panjakana komonista indray ny Vavolombelona tamin’itỳ indray nitoraka itỳ. Nahatonga an’ilay mpitsara ho “ory dia ory” izany.
Nilaza tamin’ny fitsarana i Lothar Hörnig fa nandany dimy taona sy tapany ny nanokanan-toerana azy ary tsy nafahana tao amin’ny fonjan’i Brandenbourg izy raha tsy tamin’ny 1959. Rehefa nandre ny fanambaran’i Hörnig ilay mpitsara taloha dia latsa-dranomaso. “Miala tsiny be dia be aho”, hoy izy nigogogogo. ‘Mamelà ahy re!’ Nanaiky ny fialan-tsininy i Hörnig. — Ampitahao amin’ny Lioka 23:34.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 32]
Neue Berliner Illustrierte