Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana
Ny Hery Manovan’ny Tenin’Andriamanitra
ARAKA ny fieken’ny tenany, dia “mpiteny ratsy (...) sady mpanenjika sy mpampahory” izy taloha. (1 Timoty 1:13). Niova anefa izy! Lehibe aoka izany ny fiovana nataon’ny apostoly Paoly, hany ka afaka nanambara toy izao izy tatỳ aoriana: “Aoka hanahaka ahy hianareo, dia tahaka ny anahafako an’i Kristy.” — 1 Korintiana 11:1.
Amin’izao andro izao, dia mpivavaka tso-po ana hetsiny maro manerana ny tany no manao fiovana mitovy amin’izany. Inona no mahatonga azy ho afaka hanao izany? Mandray fahalalana ny Tenin’Andriamanitra izy ireo ary mampihatra izany eo amin’ny fiainany. Ny fanandraman-javatra manaraka dia manasongadina ny hery manovan’ny Tenin’Andriamanitra.
Tany Slovénie, ny mpivady be taona iray dia nipetraka nitokana tany ivelan’ny vohitra iray. Tokony ho 60 taona i Jože, ilay rangahy, ary nanan-java-nanahirana lehibe noho ny alkaolisma. Na dia izany aza, dia nikarakara an’i Ljudmila vadiny, izay narary izy. Indray andro, dia nohatonin’ny mpitory ilay Fanjakana roa i Jože. Nanasa ireo Vavolombelon’i Jehovah handroso ho ao an-tranony izy, ka tao izy ireo dia nihaona tamin’ny vadiny. Nijoy tamin’ny tavan’i Ljudmila ny ranomasom-pifaliana rehefa nandre ny hafatra momba ilay Fanjakana izy. Faly noho izay reny koa i Jože ary nametraka fanontaniana maro. Rehefa avy nametraka zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly tamin’ilay mpivady ireo Vavolombelona, dia niainga.
Iray volana tatỳ aoriana, dia afaka niverina ireo Vavolombelona, ary nanamarika izy ireo fa nipetraka teo ambonin’ny latabatra ilay boky hoe Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany. Rehefa nanontaniana i Jože hoe taiza no nahazoany azy io, dia hoy izy: “Nahita dokam-barotra teo amin’ny pejy farany tamin’ny iray tamin’ireo gazety navelanareo tamiko aho. Koa nanoratra tany amin’ny biraonareo any Zagreb aho nangataka ilay boky.” Noho ny fahalianany dia nasaina izy hanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy efa akaiky, izay natao tany amin’ny Efitrano Fanjakana. Faly ireo Vavolombelona fa tonga tokoa izy!
Tsy ela dia natomboka ny fianarana Baiboly ary nisy fandrosoana tsara natao. Ohatra, rehefa naseho an’i Jože tao amin’ny Baiboly ny hoe “aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao na (...) miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy”, dia nangoniny tsy nisy hataka andro ireo sary masina rehetra tao an-tranony, anisan’izany ireo sarin-javatra ivavahana (icônes), ka nariany. — Eksodosy 20:4, 5.
Afa-po ny hetahetam-pahamarinana ara-panahy nananan’i Jože. Nampalahelo anefa fa mbola nanana hetaheta hafa izy. Efa hatramin’ny 18 taona no nisotroany divay tokony ho fito litatra isan’andro. Noho ny zava-nanahirana nananany momba ny fisotroana dia tsy nitandrina firy ny fisehoany ivelany izy. Taorian’ny nianarany ny fiheveran’Andriamanitra ny fidorohana alkaola anefa dia tapa-kevitra izy ny hiova.
Niezaka mafy nandresy tsikelikely ny zava-nanahirana nananany momba ny fisotroana izy, nihazona an-tsoratra ny habetsahan’izay nosotroiny isan’andro. Tsy ela izy dia tsy nandevozin’ny divay intsony. Rehefa nandeha ny fianarany ny Baiboly, dia nianatra koa izy fa takina amin’ny Kristiana marina ny hananany fahadiovana tsara ara-batana. Noho izany, dia nanome vola ny Vavolombelona izy, ka nanao tamin’izy ireo hoe: “Mandehana ka ividiano izay kojakoja momba ny fitafiana ilaiko mba hahatonga ahy ho azo jerena any amin’ny fivoriana kristiana sy eny amin’ny fanompoana eny amin’ny saha!” Niverina nitondra akanjo anatiny, ba, kiraro, lobaka, kaompile sy karavato ary kitapo iray ny Vavolombelona.
Rehefa nianatra ny Baiboly nandritra ny herintaona i Jože sy i Ljudmila dia nahafeno fepetra mba hiaraka amin’ny Vavolombelona amin’ny asa fitoriana isan-trano. Telo volana tatỳ aoriana dia nanamarika ny fanoloran-tenany ho an’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny batisa ao anaty rano izy ireo, tamin’ny fivoriamben’ny distrikan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Na dia be taona sy tsy dia salama loatra aza i Jože, dia nandray anjara tamin’ny fitoriana ny vaovao tsara ary tatỳ aoriana, dia nanompo tamim-pahatokiana tao amin’ny kongregasiona tamin’ny naha-mpanampy amin’ny fanompoana azy, hatramin’ny nahafatesany tamin’ny May 1995. Ny vokatra tsara nisy teo amin’ny fiainan’io lehilahy nanetry tena io sy ny vadiny dia porofo ny amin’ny hery manovan’ny Tenin’Andriamanitra!