Ny Antony Nampiasany Ilay Anarana Lehibe Indrindra
Nanao fahadisoana aho, araka ny hevitry ny iray amin’ireo mpanao tsikera ahy, tamin’ny fampidirana ny teny hoe ‘Jehovah’ fa tsy hoe ‘ny Tompo’, izay nampifanitsiana taminy nahazatra nandritra ny taonjato maro.”
Izany no fanazavana nomen’i J. J. Stewart Perowne tao amin’ny sasin-tenin’ny fanontana faharoa amin’ny fandikan-teny nataony amin’ny bokin’ny Salamo, navoaka voalohany tamin’ny 1864. Ilay mpanao tsikera, nanoratra tao amin’ny Saturday Review tamin’ny 2 Jolay 1864, dia nanohitra ny fampiasana ny anaran’Andriamanitra tao amin’ilay fandikan-teny, noho izy io tsy nampiasaina intsony na tao amin’ny fiangonana jiosy na tao amin’ny fiangonana kristiana. Nilaza izy fa ampifandraisina akaiky loatra amin’ny Jiosy ny anarana hoe Jehovah, ary fa anarana hafa no tokony ho nampiasaina, toy ny hoe “Tompo” na “Andriamanitra”, “izay tsy misy ifandraisana amin’ny toerana manokana na mifandray amin’ny firenena iray”.
Tsy nanaiky ireo hevitra naroso ireo i Perowne satria izy tsy “naniry hanesotra na dia litera iray monja aza” tamin’ny fanambaran’Andriamanitra ho an’ny olombelona. Nanantitrantitra ara-drariny izy fa ireo mpandika teny izay mandika ny anaran’Andriamanitra amin’ny teny hebreo amin’ny hoe “Tompo” dia tsy mahatakatra ny fahasamihafana eo amin’ireo teny hebreo roa hoe “Jehovah” sy “ʼAdho·naiʹ”.
Ankoatra izany, i Perowne dia nanantitrantitra fa nisy ireo manam-pahaizana tena mahay izay nankasitraka ny famerenana amin’ny toerany ny anaran’Andriamanitra. Nanonona ilay poety anglisy nalaza nantsoina hoe Samuel Taylor Coleridge izy:
“Nahoana no manohy mandika ny teny hebreo amin’ny teny anglisy amin’ny fampiasana ny Septante ho mpanelanelana? Tsy efa nandray ny teny hebreo hoe Jehovah ve isika? Moa ve ny hoe Κύριος, na Tompo ao amin’ny Septante, tsy teny grika nasolo ny teny hebreo hoe Jehovah ao amin’ireo ohatra tsy tambo isaina? Nahoana àry no tsy averina amin’ny toerany ny teny tany am-boalohany; ary ao amin’ny Testamenta Taloha nahoana no tsy adika amim-pitandremana fatratra amin’ny hoe Jehovah ny Jehovah; ary izay soratra rehetra ao amin’ny Testamenta Vaovao manisy firesahana ny Testamenta Taloha, nahoana no tsy adika amin’ilay teny hebreo hoe Jehovah ny soratra asiana firesahana?”
Niaiky i Perowne fa ny fanononana marina ny Tetragrama hebreo dia efa very, nefa hoy izy nanamarika: “Raha noho ny ahiahy ateraky ny finoanoam-poana fotsiny no tsy nanohizana ny fampiasana ilay anarana tao amin’ny Fiangonana jiosy, ary raha noho ny fanaovana kopia amin’ny fakana tahaka loatra ireo Dikan-teny grika sy latina no namoizan’ny Dikan-tenintsika [anglisy] ilay anarana, dia tsy antony mampiaiky izany mba hanoherana ny fiverenana ho amin’ilay fampiasana tany am-boalohany.” Nankasitraka ny endriny hoe “Jehovah” i Perowne noho izy io fantatra tsara. Hatramin’izay àry, dia misy fandikan-teny maoderina maromaro kokoa hatrany mampiasa koa ny anaran’Andriamanitra. Ny Soratra Masina — Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao dia mampiasa ilay anarana hoe Jehovah maherin’ny in-7200 ao amin’ny Soratra Hebreo sy ao amin’ny Soratra Grika Kristiana.
Tao amin’ny fandikan-tenin’ny Salamo nataony, i Perowne dia niezaka nifikitra “akaiky tamin’ny endriky ny teny hebreo, teo amin’ny fomba fiteny manokana sy teo amin’ny firafitry ny fehezanteny”. Rehefa nandika ny Salamo faha-69, andininy fahadimy sy fahenina izy, dia hitany ny nilana hanavahana ireo teny hebreo adika hoe “Andriamanitra” (ʼElo·himʹ) sy “Tompo” (ʼAdho·naiʹ), ary “Jehovah”: “Andriamanitra ô [ʼElo·himʹ], Hianao mahalala ny hadalako; ary ny heloko tsy mba miafina aminao. Aoka tsy ho menatra noho ny amiko izay miandry Anao, Jehovah, Tompon’ny [ʼAdho·naiʹ] maro ô; aoka tsy ho very hevitra noho ny amiko izay mitady Anao, ry Andriamanitry ny Isiraely ô.”