Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana
Mpifahavalo Taloha Tafaray eo Am-panompoana An’i Jehovah
“NY NANDRENESAKO voalohany zavatra momba ny Vavolombelon’i Jehovah dia fony aho niasa tamin’ny naha-mpiambina nitam-piadiana tany Bosnia”, hoy ny fanazavan’i Branko.a
Nanao ny anjara fiambenany tao amin’ny hopitaly iray nitsaboana ireo naratra i Branko. Nianatra ny Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelona ny iray tamin’ireo dokotera ary nandritra ny anjara fiasana tamin’ny alina, dia nohazavainy tamin’i Branko ny ankamaroan’izay avy nianarany momba ny Baiboly.
Nanohina aoka izany an’i Branko izay reny tamin’io alina io, hany ka naveriny avy hatrany ny fitaovam-piadiany. Nifandray tamin’ny Vavolombelona izy, naniry ny hahafantatra bebe kokoa. Fotoana kelikely tatỳ aoriana, rehefa avy nifindra tany amin’ny tany eoropeana hafa i Branko, dia nitady Efitrano Fanjakana iray ary nanatrika fivoriana nataon’ny kongregasiona iogoslaviana an’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tany no nihaonan’i Branko tamin’i Slobodan.
Avy tany Bosnia koa i Slobodan, ary niasa tamin’ny naha-mpiasa an-tsitrapo tao amin’io ady io ihany koa sahala amin’i Branko — saingy tany amin’ilay andaniny nifanohitra. Niady tamin’ny Kroaty ho an’ny Serba i Slobodan. Tamin’ilay fotoana nihaonan’izy roa lahy, dia efa tonga Vavolombelon’i Jehovah vita batisa i Slobodan. Nanolo-kevitra ny hiara-mianatra ny Baiboly tamin’i Branko, fahavalony taloha, izy. Arakaraka ny nandrosoan’ilay fianarana, dia nianatra bebe kokoa momba an’i Jehovah i Branko, ary dia nitombo ny fitiavany an’Andriamanitra. Izany dia nanosika an’i Branko hanokana ny fiainany ho an’ny Mpamorona. Tamin’ny Oktobra 1993, dia nanamarika ny fanoloran-tenany tamin’ny batisa anaty rano izy.
Ahoana no nahatongavan’i Slobodan ho Vavolombelon’i Jehovah? Nandao ilay faritra nisy ady tany Bosnia izy fotoana kelikely talohan’izay. Efa namaky zavatra vita an-tsoratra sasany avy tamin’ny Vavolombelona izy, saingy tsy nitombo ny fahalianany tamin’ny Tenin’Andriamanitra raha tsy tamin’ny fisian’ny Vavolombelona roa nitsidika tany an-tranony tany am-piandohan’ny 1992. Iza no nitsidika an’i Slobodan, ka nanolo-kevitra ny hiara-mianatra ny Baiboly taminy? I Mujo izay avy tany Bosnia koa, saingy nobeazina ho Miozilimanina kosa. Arakaraka ny nandrosoan’ilay fianarana ny Baiboly, dia nandany fotoana sasany niarahana isan’andro mba hifanatanjaka finoana i Mujo sy i Slobodan, izay mpifahavalo taloha.
Naka ain’olona ana hetsiny maro ny ady any Iogoslavia teo aloha. Kanefa i Branko sy i Slobodan ary i Mujo kosa izao dia manompo amin’ny maha-mpitory ny vaovao tsara manontolo andro ao amin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah iray ihany. Naharesy ny fifandrafiana ara-poko sy ara-pirazanana izy ireo, ary izao dia mikatsaka fihavanana eo am-panekena ny Mpamorona, dia i Jehovah.
Inona anefa no nahatonga fiovana toy izany? Izany dia ny fitiavan’izy ireo an’i Jehovah sy ny fanajany ny Baiboly ary ny fahadodonany hampihatra teo amin’ny fiainany ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Araka ny lazain’ny Soratra Masina, dia “velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra (...) ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo”. — Hebreo 4:12.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Anarana tsy tena izy no nampiasaina.