Ny Fahamarinan’ny Filazantsara
TAPATAPA-TARATASY kely telo amin’ny sora-tanana iray amin’ny Filazantsaran’i Matio, fantatra amin’ny hoe P64, no fananan’ny Magdalen College any Oxford, Angletera, hatramin’ny 1901. Nisy fotoana ninoan’ireo manam-pahaizana fa nosoratana tany amin’ny tapany farany tamin’ny taonjato faharoa am.f.i. izy ireo.
Tsy ela izay, i Carsten P. Thiede, manam-pahaizana iray amin’ny fandinihana ireo sora-tanana amin’ny papyrus ao Paderborn, any Alemaina, dia nitarika ny fandinihana tamin’ny an-tsipiriany ny P64, izay misy tapany amin’ny andininy 10 amin’ny Matio toko faha-26. Ny vokany? Nanoratra tao amin’ny Zeitschrift für Papyrologie und Epigraphik i Thiede, ary milazalaza ireo tapatapa-taratasy any Oxford ireo ho “tapatapaka kodeksa kristiana tamin’ny taonjato voalohany, angamba (na dia tsy voatery ho izany aza) talohan’ny 70 A.D. [amin’ny taonan’ny Tompontsika].”
Nahatonga resa-be tamin’ny gazety sy teo amin’ireo vondron’ny manam-pahaizana ny fandinihana nataon’i Thiede. Nahoana? Satria izay nekena hatramin’izay ho ampahan-tsoratra tranainy indrindra sisa tavela amin’ireo Filazantsara, dia ny P52, tapatapa-taratasy amin’ny Filazantsaran’i Jaona izay nosoratana tokony ho tamin’ny 125 am.f.i., na tsy nety ho talohan’ny taonjato faharoa.
Mbola ho hita na heken’ny maro na tsia ilay daty vaovao nomena ilay tapatapaka papyrus P64. Na ahoana na ahoana, ilay daty aloha be dia tsy vitan’ny hoe mahatonga ny P64 ho ny tapatapa-taratasy tranainy indrindra ananana ny amin’ny Filazantsara fotsiny; manome porofo fanampiny manondro koa izy io fa ny Filazantsaran’i Matio dia nosoratana tamin’ny taonjato voalohany tokoa, angamba aza talohan’ny 70 am.f.i. mihitsy, fony mbola velona ireo vavolombelona maro be nahita maso ireo fisehoan-javatra tamin’ny fiainan’i Jesosy mba hanaporofo ny fahamarinan’ny Filazantsara.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 32]
By permission of the President and Fellows of Magdalen College, Oxford.