FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w96 1/2 p. 3
  • Efa Voavonjy ve Ianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Efa Voavonjy ve Ianao?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no Tsy Maintsy Ataontsika mba ho Voavonjy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Ny tokony hataontsika mba hahavoavonjy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Famonjena Izay Tena Hevitr’izany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Nahoana no Lazaina fa Mpamonjy i Jesosy?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
w96 1/2 p. 3

Efa Voavonjy ve Ianao?

FOLO taona i Johnny fony nanajanona azy ny lehilahy iray tany amin’ny foara, ka nanontany azy hoe: “Ry tovolahy, moa ve ianao mandray an’i Jesosy Kristy ho Tomponao sy Mpamonjy anao?” Izany dia toa fanontaniana hafahafa ihany tamin’i Johnny satria izy efa nino an’i Jesosy foana. Koa namaly àry izy hoe “Mazava ho azy fa izany.” “Derao ny Tompo!”, hoy ilay lehilahy nihiaka mba ho ren’ny rehetra. “Fanahy hafa iray voavonjy ho an’i Kristy!”

Tena tsotra toy izany ve ny famonjena? Moa ve i Johnny “voavonjy” nanomboka tamin’ny fotoana nilazany ireo teny ireo, tsy mampaninona izay zavatra hataony amin’ny fiainany sisa? Olona tso-po maro no hamaly hoe eny. Misy trakitra ara-pivavahana milaza ny mba hanoratana ny daty “nahavoavonjy” ny tena mba hahafahana hitadidy azy io.

Ny anisan’ny klerjy iray dia nanoratra fa “amin’ny fotoana toa andraisana an’i Kristy (...) no voatendry amin’ny fomba maharitra ny anjaran’ny tena.” Nohantitranteriny fa ny Baiboly dia milaza fa miankina amin’ny “asam-pinoana” tokana, indray mandeha ny famonjena, “fa tsy amin’ny fitohizan’ny finoana”. Nanoratra toy izao ny mpanoratra hafa iray ara-pivavahana: “Izy io dia asa iray efa tanteraka. Efa nefaina ny famonjena anao. (...) ‘Nifarana ny adinao’. ‘Voaesotra ny fahotanao.’ ” Na dia ireo olona izay miaiky mafy aza anefa fa marina izany dia mety hahita zava-manahirana iray eto. Miharihary fa olona maro izay nilazana fa “voavonjy” ny tenany no tsy miaina mifanaraka amin’ny fomba lazain’ny Baiboly fa tokony hataony. Ny fanazavana mahazatra iray dia hoe angamba tsy tena “nandray” an’i Kristy izy ireo.

Koa inona àry no tena hevitry ny hoe “fandraisana” an’i Jesosy? Asam-pinoana indray mandeha ve, sa fomba fiaina mitohy kosa? Takina ve ny hahamatanjaka ny zavatra inoantsika mba hanosika antsika hanao zavatra? Afaka tena mandray ireo soa avy amin’ny soron’i Jesosy ve isika kanefa tsy miantsoroka ny andraikitra amin’ny fanarahana azy?

Olona maro no maniry ny fitahiana fa tsy ny andraikitra amin’ny fanarahana sy ny fankatoavana an’i Jesosy. Raha ny marina, ny teny hoe “mankato” matetika dia manelingelina azy ireo. Kanefa, nilaza i Jesosy hoe: “Avia, manaraha Ahy.” (Lioka 18:18-23). Ary manambara toy izao ny Baiboly: “Ireo izay tsy mankato ny vaovao tsara momba an’i Jesosy Tompontsika (...) dia hiharan’ny famaizana ara-pitsaran’ny fandringanana mandrakizay.” — 2 Tesaloniana 1:8, 9, NW; Matio 10:38; 16:24.

Ny Baiboly dia milaza zavatra maro izay mampipoitra fanontaniana lehibe momba izay nampianarina momba ny famonjena. Raha tianao ny hanamarina izay tena lazain’ny Baiboly marina momba io foto-kevitra io, dia hahita ireo pejy manaraka hahaliana indrindra ianao. Sokafy ny Baibolinao, ary vakio ireo andinin-teny voalaza mba hahitana izay nampianarin’i Jesosy sy ny apostoliny momba io raharaha iankinan’ny aina io.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara