Manaova Fanompoam-pivavahana Amin’i Jehovah Amin’ny Tanana Madio
NIHIRA toy izao i Davida mpanao salamo, teo ambany tsindrimandry: “Manasa ny tànako noho ny fahamarinako aho ka te-hitoetra eo akaikin’ny alitaranao, Jehovah ô”. — Salamo 26:6.
Rehefa nanoratra ireo teny ireo i Davida dia mety ho nanisy firesahana tsy nivantana ny amin’ilay fomban’ireo mpisorona levita teo amin’ny Isiraely niakatra ilay faritra nisolampy tamin’ny alitara ary avy eo dia nametraka ny fanatiny teo ambonin’ny afo. Talohan’ny nanaovana an’io asa fanompoam-pivavahana io anefa, dia notakina ny hanasan’ireo mpisorona ny tanany sy ny tongony. Tsy tsipirian-javatra madinika izany. Ny tsy fanaovana io dingana ho fiomanana io dia nety ho namoizan’ny mpisorona iray ny ainy! — Eksodosy 30:18-21.
Ny fanasana ara-panoharana dia mahatonga fahadiovana ara-panahy sy ara-pitondran-tena. (Isaia 1:16; Efesiana 5:26). Irin’i Jehovah ny ‘hitoerantsika eo akaikin’ny alitarany’ amin’izao andro izao amin’ny fanompoana azy. Izy anefa dia mitaky ny hanaovantsika izany amin’ny tanana madio — araka ny nolazain’i Davida hoe tanana izay voasasa ‘noho ny fahamarinana’. Tsy fitakiana madinika akory izany, satria ireo izay manao fahalotoana dia tsy handova ny Fanjakan’Andriamanitra. (Galatiana 5:19-21). Ny fananana fiainana misy asa araka an’Andriamanitra dia tsy manome lalana ny olona iray hanaraka fitondran-tena maloto. Noho izany no nanoratan’ny apostoly Paoly toy izao: “Asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko, fandrao, na dia efa nitory tamin’ny sasany aza aho, dia holavina kosa ny tenako.” — 1 Korintiana 9:27.
Tsy maintsy manompo an’i Jehovah amin’ny tanana madio ireo izay mikatsaka ny fankasitrahan’Andriamanitra sy ny fahasambarana marina. Sahala amin’i Davida, izy ireo dia mandeha “amin’ny fahitsian’ny fo sy ny fahamarinana”. — 1 Mpanjaka 9:4.