FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w95 1/12 p. 32
  • Aza Mitahiry Lolompo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Aza Mitahiry Lolompo
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
w95 1/12 p. 32

Aza Mitahiry Lolompo

METY ho toa zava-tsarotra mbola tsy nisy toy izany ny manalavitra ny tsy hanana lolompo rehefa misy olona manafintohina antsika. Manana torohevitra azo ampiharina amin’ny tarehin-javatra toy izany ny Baiboly. “Tezera”, hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly, “fa aza manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.” — Efesiana 4:26.

Rehefa misy olona manisy ratsy antsika, dia ara-dalàna tsotra izao ny mahatsapa fahatezerana amin’ny fetra sasany. Ny filazan’i Paoly hoe “tezera” dia milaza tsy mivantana fa mety ho araka ny tokony ho izy ny fahatezerana indraindray — angamba ho setrin’ny fitondrana tsy ara-drariny na ny tsy fahaiza-mampihatra ny rariny. (Ampitahao amin’ny 2 Korintiana 11:29.) Rehefa avela ho tsy voatsindry anefa ny fahatezerana, na dia ara-drariny aza, dia mety hitondra vokany mahatsiravina, ka hitarika ho amin’ny fahotana lehibe. (Genesisy 34:1-31; 49:5-7; Salamo 106:32, 33). Koa inona àry no azonao atao rehefa mahatsiaro ianao fa atao izay hampahatezitra anao?

Amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra mahatafiditra fahotana madinika, dia afaka ianao, na mandamina ilay tarehin-javatra ao am-ponao ‘ka mangina’, na manatona ilay nanafintohina ka midinika ilay raharaha. (Salamo 4:4; Matio 5:23, 24). Amin’ny tsirairay amin’ireo fomba ireo, dia tsara indrindra ny mandamina ilay raharaha haingana mba tsy hitomboan’ilay lolompo ka hiteraka vokany mampalahelo. — Efesiana 4:31.

Mamela malalaka ny fahotantsika i Jehovah, na dia ireo fahotana izay mety tsy ho tsapantsika akory aza fa nataontsika noho ny tsy fahalalantsika. Moa ve isika tsy afaka mamela toy izany koa ny fahotana madinika nataon’ny olona iray tahaka antsika? — Kolosiana 3:13, NW; 1 Petera 4:8.

Mahaliana fa ny teny grika nadika hoe “mamela heloka” dia midika ara-bakiteny hoe “mamela handeha”. Ny famelan-keloka dia tsy mitaky ny hanamaivanantsika na hanalantsika tsiny ilay zava-dratsy natao. Indraindray izany dia mety hahatafiditra fotsiny ny hoe hamela handeha an’ilay tarehin-javatra, amin’ny fahatakarana fa tsy hanao afa-tsy ny hanampy trotraka ny enta-mavesatra entinao ny fitahirizana lolompo ka handrava ny firaisan-tsain’ny kongregasiona kristiana. Ankoatra izany, dia afaka manimba ny fahasalamanao ny fitahirizana lolompo! — Salamo 103:9, NW.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara