Tsy Maintsy Mifanohitra Amin’ny Fahamarinana ve ny Lovantsofina?
NIAIKY i Martin Luther fa marina ny azy. Nino izy fa nanohana azy ny Baiboly. Nihevitra ilay astronoma poloney atao hoe Copernic, tetsy an-danin’izany, fa diso ilay zavatra ninoana araka ny lovantsofina tamin’izany andro izany.
Zavatra ninoana inona? Fa hoe ny tany no ivon’izao rehetra izao ary nihodinkodina nanodidina azy io ny zava-drehetra. Ny marina, hoy i Copernic, dia hoe ny tany mihitsy no nihodinkodina nanodidina ny masoandro. Nanda izany i Luther, ka nanao hoe: “Ny vahoaka dia mihaino astrology iray vao misondrotra izay niezaka hampiseho fa ny tany no mihodinkodina, fa tsy ny lanitra na ny habakabaka, [na] ny masoandro sy ny volana.” — History of Western Philosophy.
MATETIKA ny zavatra ninoana araka ny lovantsofina dia nifanohitra tamin’ny zava-misy, dia ny fahamarinana. Mety hahatonga ny olona hanao zavatra manimba mihitsy aza izy ireny.
Tsy midika akory izany, mazava ho azy, fa mifanohitra amin’ny fahamarinana foana ny lovantsofina. Raha ny marina, ny apostoly Paoly dia nampirisika toy izao ny Kristiana tamin’ny androny mba hanaraka hatrany ireo lovantsofina natolony azy ireo: “Ary midera anareo aho, satria (...) hianareo (...) mitana tsara [ireo lovantsofina, NW ], araka ny nanolorako azy taminareo.” — 1 Korintiana 11:2; jereo koa ny 2 Tesaloniana 2:15, NW; 3:6, NW.
Inona no tian’i Paoly holazaina tamin’ny hoe “lovantsofina”? Manazava ny Insight on the Scriptures, Boky faha-2, pejy faha-1118, fa ny teny grika pa·raʹdo·sis nampiasainy nadika hoe “lovantsofina”, dia midika hoe zavatra izay “nampitaina am-bava na an-tsoratra”. Ny teny anglisy dia midika hoe “fanazavana, foto-pampianarana, na fanao izay nampitaina avy tamin’ny ray aman-dreny ho amin’ireo zanaka, na izay nanjary fomba fisainana na fomba fanaovan-javatra voaorina”.a Koa satria avy tamin’ny loharano tsara ireo lovantsofina natolotry ny apostoly Paoly, dia nanao ny tsara ireo Kristiana tamin’ny fifikirana mafy tamin’izy ireny.
Miharihary anefa fa mety ho marina na diso, tsara na ratsy, ny lovantsofina. Ilay filozofa britanika atao hoe Bertrand Russell, ohatra, dia midera ny olona tahaka an’i Copernic tamin’ny taonjato faha-16 izay nanana fahatsorana sy herim-po nametraka fisalasalana ny amin’ireo zavatra ninoana araka ny lovantsofina. Nampitombo “fiekena [izy ireo] fa mety ho diso izay ninoana hatramin’ny andro fahiny”. Moa ve ianao koa mahita fa fahendrena ny tsy fanarahana an-jamba ny lovantsofina? — Ampitahao amin’ny Matio 15:1-9, 14, NW.
Ahoana àry ny amin’ireo zavatra inoana sy fanao ara-pivavahana? Azontsika heverina ve fa marina sy tsy manimba izy ireny? Ahoana no ahafahantsika mahafantatra izany? Inona no tokony hataontsika raha hitantsika fa mifanohitra amin’ny fahamarinana, raha ny marina, ny lovantsofina ara-pivavahana? Handinika ireo fanontaniana ireo ny lahatsoratra manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 2]
Fonony: Jean-Leon Huens © National Geographic Society
[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]
Universität Leipzig