Vavolombelon’i Jehovah Manerana Izao Tontolo Izao — Nouvelle-Zélande
AFAKA midera an’i Jehovah ve ny nosy? Eny, araka ny Isaia 42:10 manao hoe: “Hianareo nosy sy ny mponina ao aminy, samia mihira fihiram-baovao ho an’i Jehovah, dia ny fiderana Azy hatramin’ny faran’ny tany.” Ireo nosy mahaforona an’i Nouvelle-Zélande dia tena midera an’i Jehovah tokoa. Malaza maneran-tany noho ireo farihy, helo-dranomasina, tendrombohitra manerinerina, vongan-dranomandry an-tendrombohitra, torapasika, alan’ny tany mafana voaravaka ampanga ary faritra ambanivohitra mandrobona, i Nouvelle-Zélande, ka mitory mazava tsara ny fahamboniana heni-kajan’ilay Mpamorona ny lanitra sy ny tany.
Nanomboka taoriana kelin’ny fiandohan’itỳ taonjato itỳ, dia mponin’i Nouvelle-Zélande mihamaro isa no nanampy ny feony mba hiderana an’i Jehovah tamin’ny fitodihana tany aminy mba hanolorana fanompoam-pivavahana madio ho azy sy tamin’ny fizarana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’ny hafa. Vao haingana, ny Vavolombelona iray izay nahare fanandraman-javatra tsara iray momba ny fitoriana tamin’ny havana, dia nanapa-kevitra ny hanao ezaka mba hitoriana tamin’ny fianakaviany. Nanolotra boky Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany ho fanomezana ho an’ny mpianakavy maromaro izy. Nanao ahoana ny vokatra hatramin’izao? Mitatitra izy fa ny anabaviny iray sy ny rahalahiny iray izao dia mianatra ny Baiboly, ny zanaky ny mpiray tam-po aminy dia efa Vavolombelon’i Jehovah vita batisa, ary ny hafa izao dia mandray tsara kokoa ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Mbola midadasika ny faritany hiasany; ankoatra ny ray aman-dreniny, dia manana rahalahy enina sy anabavy sivy izy!
Fiderana an’i Jehovah koa no azo rehefa mifarimbona ireo Vavolombelona mba hanorina Efitrano Fanjakana. Ohatra, ilay mpanoratra an-gazety atao hoe Roy Perkins dia nanoratra toy izao tao amin’ny Opotiki News tamin’ny 17 May 1994: “Olona tsy mpino aho, ka nanaitra ahy mafy ny asa sy ny ezaka ataon’ireo mpiasa nanolo-tena rehetra izay nandany fotoana sy ezaka be ho an’ilay tetik’asa noho ny fitiavany ny Andriamaniny.
“Nandritra ireny ora rehetra niasana tamin’ny faran’ny herinandro ireny, dia tsy nahita na nahare ny amin’ny fifamalian’ny mpiasa mihitsy aho (...) Ireo vehivavy dia teny ambony kombarika niara-niasa tamin’ireo lehilahy, nanisy feta, nampakatra sy nibata fitaovana, ka izany rehetra izany dia tao anatin’ny rivo-piainana tony sy falifaly.
“Ary tsy nisy na dia minitra iray aza very nifohan’iza na iza sigara. Ho an’ireny olona rehetra ireny izay niasa na tamin’ny sampan’asa inona na tamin’ny sampan’asa inona, ny rivotra dia nadio sy tsy nisy nandoto afa-tsy ny fofon’ny loko sy ny vovoky ny biriky.”
Hoy ny nosoratan’ny fitambaran-doholon’ny Kongregasionan’i Opotiki: “Nisy akony lehibe teo amin’ilay tanàna ilay tetik’asa manontolo. Toa toy ny miresaka momba azy io ny rehetra. Fampianarana ny Baiboly maromaro no natomboka. Ny iray tamin’ireo, izay nampientana anay indrindra, dia ny mpivady iray tia fivavahana be, izay nangataka, nandritra ny taona maro, ny tsy hitsidihanay azy. Tonga teny amin’ny toeram-panorenana isan’andro izy ireo ary avy eo dia tany amin’ny fivoriana. Hoy ilay rangahy tatỳ aoriana: ‘Hitako izao fa vahoakan’Andriamanitra ianareo. Tao anatiko tao aho dia naniry mafy nandritra ny fiainako rehetra ny hifanerasera tamin’ny vahoaka toy izao.’ ”
Ny taona talohan’iny, dia nilaza izao manaraka izao ny mpanoratra iray ho an’ny gazety Otago Daily Times momba ny Efitrano Fanjakana iray naorina araka ny fomba haingana tao Dunedin: “Tena zava-bita nahavariana ilay izy, ohatra nahavariana ny amin’ny fananana antony manosika sy fahaiza-manampy tena.” Hoy ny teny nataon’io gazety io ihany: “Nitazana ny mponin’ilay tanàna, talanjona noho ny amin’ny fiorenan’ny trano lehibe iray teo ambanin’ny masony, ary maro no tsy maintsy ho nisaintsaina ny amin’izay fiovana hafa sy tetik’asa tsara azo tanterahina raha nisy fivondronan’ny mpiasa an-tsitrapo be dia be sy toe-tsaina tia miara-miasa be dia be tahaka izany. Ny Efitrano Fanjakana dia famantarana afaka mirehareha ny amin’ny ezaka ho fanorenana izay mitondra vokatra.”
Tamin’ireo olona an-jatony maro izay nitsidika ilay toeram-panorenana, ny rangahy mihaja iray dia nanamarika fa ny Vavolombelona dia nanorina “fiangonana” nefa ny fivavahany nivarotra ny azy noho ny fihenan’ny isan’ny mpikambana. “Raha niandry roa ambin’ny folo volana monja ianareo, dia ho afaka nividy ny iray tamin’ny anay”, hoy izy, sahy niteny. “Voatery mivarotra iray izahay satria tsy maharaka ny fandoavana ny fandaniana aminy. Nefa mazava ho azy fa tsy manana klerjy mandray karama ianareo. (...) Sady amin’izay ny tranonareo tsy ilana fikojakojana firy, tsy trano be misy tilikambo tsy azo kojakojaina.”
Mazava fa afaka midera an’Andriamanitra tokoa ny nosy. Enga anie ny fiderana an’i Jehovah ka hanohy hanako any amin’io tany tsara tarehy any Pasifika io — sy maneran-tany koa!
[Efajoro, pejy 9]
ANTONTAN’ISAN’ILAY TANY
Taom-piasana 1994
TAMPON’ISAN’NY MPITORY: 12 867
AMIN’NY ARA-KEVINY: Vavolombelona 1 ho an’ny olona 271
MPANATRIKA NY FAHATSIAROVANA: 24 436
ANTSALAN’NY MPITORY MPISAVA LALANA: 1 386
ANTSALAN’NY FAMPIANARANA NY BAIBOLY: 7 519
ISAN’NY NATAO BATISA: 568
ISAN’NY KONGREGASIONA: 158
BIRAON’NY SAMPANA: MANUREWA
[Sary, pejy 9]
Mpisava lalana miainga ho eny amin’ny saha tokony ho tamin’ny 1930
Biraon’ny sampana any Manurewa
Fitoriana ny hafatra momba ilay Fanjakana any Devonport, any Auckland