Tahotra — Namana sa Fahavalo?
“Mieritreritra ny amin’ny fomba tiako hahafatesana aho. Tsy tiako ny ho voatifitra, kanefa raha ho toy izany aho, dia tiako ny ho voatifitra eto amin’ny loha mihitsy, amin’izay dia ho faty eo no ho eo aho.”
IZANY no ren’ny mpanao gazety iray ho an’ny Los Angeles Times avy tamin’ny zazavavy iray 14 taona. Teo am-panaovana fanadinadinana mpianatra izy, momba ireo vonoana olona nitranga vao haingana — tanora namono olon-dehibe sy tanora hafa koa. Nitondra ny lohateny hoe: “Ny Tontolon’ny Tahotra”, ilay tatitra.
Azo antoka hoe fantatrao fa olona maro no miaina ao amin’ny tontolon’ny tahotra. Tahotra ny amin’inona? Ho sarotra ny hilaza mazava tahotra iray manokana. Jereo raha toa ka afaka mahita ianao eto amin’ny faritra voafefy manaraka eto, ireo zavatra atahoran’ireo namanao, na atahoran’ny olona maro ao amin’ny faritra misy anao. Avy tamin’ny Newsweek tamin’ny 22 Novambra 1993 ilay faritra voafefy, ary izy io dia mampiseho ny vokatry ny fitsapan-kevitra natao tamin’ny “ankizy 758 teo anelanelan’ny 10 sy 17 taona, niaraka tamin’ireo ray aman-dreniny”.
Raha ho nadinadinina ireo tanora ireo ankehitriny, dia mety hilaza antony fanampiny mahatonga tahotra, toy ny horohoron-tany, izy ireo. Taorian’ilay horohoron-tany nampidi-doza tany Los Angeles tamin’ny Janoary 1994, dia nanao izao tatitra izao ny Time: “Anisan’ireo famantarana fikorontanan-tsaina vokatry ny fihenjanana izay miseho atỳ aoriana, dia eo ny fitamberenan’ilay zavatra niainana ao an-tsaina tampoka sy ireo nofy ratsy sy ny fiambenana tafahoatra ary ny hasosorana noho ny tsy fahafahana mifehy ny fiainan’ny tena.” Hoy ny mpandraharaha iray izay nanapa-kevitra ny hiala avy tao amin’ilay faritra: “Tsinontsinona ny fahavoazana. Ny horohoro no mafy. Mandeha matory any ambany rihana ianao, mikiraro. Tsy matory ianao. Mipetraka fotsiny eo ianao, miandry ilay izy isan’alina. Mahasosotra ilay izy.”
“Mahatonga Ireo Japoney Handry An-driran’antsy Ireo Loza Misesy”, izany no lohateny nomena an’ilay tatitra tamin’ny 11 Aprily 1995, avy tany Tokyo. Hoy izy io: “Ny fanafihana tamin’ilay gaza manempotra (...) dia famelezana lehibe indrindra ny sain’ny Japoney, satria izy io dia tonga toy ny tapany tamin’ireo fisehoan-javatra nisesy, izay tamin’ny fitambarany dia namorona tsy fahazoana antoka vaovao fototra, mahakasika ny hoavy. (...) Tsy mahatsapa ho voaro amin’ny loza intsony ny olona eny amin’ireo arabe izay nalaza taloha noho ny tsy fisian’ny loza nananontanona teny amin’izy ireny, na andro na alina.” Ary tsy ireo zokiolona ihany no matahotra. “Nilaza ny Profesora Ishikawa [ao amin’ny Oniversiten’i Seijo] fa ny tebiteby (...) dia mafy indrindra teo amin’ireo tanora, izay matetika no tsy manana fomba fiheverana mazava ny amin’izay tahirizin’ny hoavy ho azy ireo.”
Misy porofo milaza tsy mivantana fa “ny horohoro manafotra miseho indray mandeha, dia afaka manova ny fiasan-javatra simika ao amin’ny atidoha, ka mahatonga ny olona ho mora andairan’ny fitosaky ny adirenalinina, na dia am-polony taona maro atỳ aoriana aza”. Ireo mpahay siansa dia miezaka hahatakatra ny fomba andraisan’ny atidoha ny tarehin-javatra iray mahatahotra — ny fomba anombanantsika ny halehiben’ireo tsipirian-javatra, sy ny fihetsitsika manoloana ny tahotra. Nanoratra toy izao ny Profesora Joseph LeDoux: “Misy lalan-kozatra izay amin’ny alalany no mahatonga ny tarehin-javatra iray hampianatra ny zavaboary iray momba ny tahotra, ka amin’ny fahitana io lalan-kozatra io, dia manantena izahay ny hitondra fanazavana ny amin’ny fomba fiasa ankapoben’io endrika fitadidiana io.”
Ny ankamaroantsika anefa dia tsy liana firy ny amin’ny fototra simika na mifandray amin’ny hozatra iorenan’ny tahotra. Mety ho liana kokoa isika, amim-pahaiza-mijery ny zava-misy, ny amin’ny valin’ireo fanontaniana toy ny hoe: Nahoana isika no matahotra? Ahoana no tokony ho fihetsitsika? Misy tahotra tsara ve?
Azo inoana fa manaiky ianao hoe indraindray ny tahotra dia afaka manampy anao. Ohatra, alao sary an-tsaina hoe maizina ny andro amin’ny fotoana anatonanao ny tranonao. Somary misokatra ny varavarana, na dia nilaozanao nihidy mafy aza izy io. Avy eo am-baravarankely, ianao dia toa mahita aloka mihetsiketsika. Vetivety foana dia hendratra ianao, mahatsapa fa misy zavatra tsy ara-dalàna mihitsy. Angamba misy mpangalatra na mpitsofotsofoka foana mitana antsy ao anaty trano.
Ny tahotra avy hatrany ao anatin’ny tarehin-javatra toy izany, dia afaka mamonjy anao tsy handeha hiditra tsy amim-pitandremana ao anatin’ny tarehin-javatra iray mampidi-doza. Ny tahotra dia mety hanampy anao hitandrina mialoha, na hangataka fanampiana alohan’ny hiatrehanao fahavoazana mety hitranga. Misy ohatra maro ny amin’izany: famantarana iray mampitandrina anao ny amin’ny herin’aratra ambony be; filazana ao amin’ny radio ny amin’ny tafio-drivotra iray manatona haingana ny faritra misy anao; feona milina iray mankarenin-tsofina avy ao amin’ny fiaranao raha eo am-pamiliana eo amin’ny lalana iray feno olona, ianao.
Amin’ny toe-javatra sasany, dia azo antoka fa afaka ny ho namana ny fahatsapana tahotra. Afaka manampy antsika mba hiaro ny tenantsika izy io, na mba hanaovana zavatra amim-pahendrena. Fantatrao tsara anefa fa tsy namana mihitsy ny tahotra mitohy hatrany, na ny tahotra mafy dia mafy. Fahavalo izy io. Mety hitondra fisefosefoana, fidobodoboka mafin’ny fo, tsy fahatsiarovan-tena, fangovitana sy faniriana handoa ary fahatsapana ho tsy miraika amin’ny olona manodidina ny tena, izy io.
Mety ho hitanao ho mahaliana indrindra fa ny Baiboly dia nilaza mazava fa ho voamariky ny fisehoan-javatra mahatahotra eto an-tany sy ny tahotra mafy dia mafy, izao androntsika izao. Nahoana no izany no izy, ary inona no tokony ho herin’izany eo amin’ny fiainanao sy ny fisainanao? Afa-tsy izany koa, nahoana no azo atao ny milaza fa, araka ny fomba fihevitry ny Baiboly, dia misy tahotra tsapa isan’andro izay mahasoa sy tsara indrindra? Aoka hojerentsika.
[Efajoro, pejy 3]
Rehefa nanontaniana ireo olon-dehibe sy ankizy ny amin’izay mampanahy indrindra azy sy ny fianakaviany, dia nilaza izy ireo fa matahotra:
ANKIZY RAY AMAN-DRENY
56% Heloka bevava feno herisetra atao amin’ny mpianakavy 73%
53% Famoizan’ny olon-dehibe asa 60%
43% Tsy fananana fahafahana hividy sakafo 47%
51% Tsy fananana fahafahana handeha any amin’ny dokotera 61%
47% Tsy fananana fahafahana hahazo fialofana 50%
38% Fananan’ny mpianakavy zava-manahirana
momba ny zava-mahadomelina 57%
38% Tsy hiara-mitoetra ny fianakaviany 33%
Loharanon-kevitra: Newsweek, 22 Novambra 1993