Fanamaivanana ho An’ireo Natao Sorona Tsy Nanan-tsiny
IZANY dia iray amin’ireo heloka bevava mahatsiravina indrindra nataon’ny olona hatramin’izay — ny fanaovana sorona ankizy narahina fombafomba. Tsy mino ny sasany fa nitranga ny fanao naharikoriko toy izany. Kanefa, nohamafisin’ny fahitan-javatra arkeolojika maro io lafiny nampiavaka ny fanompoam-pivavahana fenisiana io.
Ankizy avy tamin’ny fianakaviana ambony no natao sorona tamin’ny afo ho an’ny andriamanitra toa an’i Tanita sy i Bala-hamona. Tany Carthage, dia nodorana ho an’ilay sarivongana alimon’i Kronosy ireo ankizy natao sorona. Nilaza i Diodore avy tany Sicile, mpanoratra tantara iray tamin’ny taonjato voalohany al.f.i., fa tsy navela hitomany ireo havan’ilay zaza. Angamba ninoana fa hampihen-danja an’ilay sorona ny tomany noho ny alahelo be.
Nisy fotoana nanaovana fombafomba mitovy amin’izany teo akaikin’i Jerosalema, tany Tofeta fahiny. Teo ireo mpivavaka dia nandihy sy nively ampongatapaka mba tsy handrenesana ny kiakiakan’ilay zaza rehefa natsipy tao amin’ilay fatana-kibon’i Moloka izy io. — Jeremia 7:31.
Tezitra mafy tamin’ireo izay mafy fo nanentsin-tadiny tamin’ny fanaintainan’ny hafa, i Jehovah. (Ampitahao amin’ny Ohabolana 21:13.) Amin’ny maha-Andriamanitra mampiseho fangorahana ny ankizy azy, i Jehovah dia azo antoka fa hampiditra an’ireny natao sorona tsy nanan-tsiny ireny amin’ny “fitsanganan’ny marina sy ny [tsy marina, NW ]”. — Asan’ny Apostoly 24:15; Eksodosy 22:22-24.