Fampidiran-dra Nodinihina Indray
AMIN’IZAO fe-potoana manjombon’ny SIDA izao, ny fandrahonana lehibe indrindra ho an’ny fahasalaman’ny marary iray any amin’ny hopitaly dia mety hamitsaka ao amin’ny efitrano fandidiana. “Tsy misy fomba azonay atao mba hahatonga ny tahirin-dra tsy hisy otrikaretina mihitsy”, hoy ny Dr. Richard Spence, izay hatramin’ny folo taona mahery, dia nanao ny asan’ny talen’ny Foiben’ny Fandidiana Tsy Ampiasana Ra, ao amin’ny Cooper Hospital-University Medical Center, any Camden, New Jersey, any Etazonia.
Tsy mahagaga raha mitsabo Vavolombelon’i Jehovah maro, izay fantatra tsara noho ny fandavany miorina amin’ny Baiboly ny fampidiran-dra, ilay foibe fitsaboana. (Levitikosy 17:11; Asan’ny Apostoly 15:28, 29). Kanefa, tonga ao amin’ilay foibe koa ny marary tsy Vavolombelona maromaro, manahy ny amin’ireo loza mety hitranga ateraky ny fampidiran-dra, izay mahatafiditra ny fahazoana hépatite, SIDA, sy aretina hafa. “Ny fipoiran’ny SIDA dia nampiseho ny ilana hitsirihana ny ra”, hoy ny filazan’ny Courier-Post Weekly Report on Science and Medicine. “Nefa mbola mety tsy ho hita eo amin’ny fizotran’ny fitsirihana ny ra sasany misy otrikaretina, satria nety ho efa voan’ilay virosy ilay olona talohan’ny nahitana azy io tamin’ny fandinihana.”
Noho ireny loza ireny, ny Foiben’ny Fandidiana Tsy Ampiasana Ra dia mampiasa fomba hafa noho ny fampidiran-dra, tafiditra amin’izany ny fampidirana indray ao amin’ilay marary ny ran’ny tenany ihany — teknika iray izay mety ho hitan’ny Vavolombelona sasany ho azo ekena ao anatin’ny toe-javatra sasany.a Ny fitsaboana hafa iray dia mahatafiditra ny fampiasana fanafody manaitra ny famokarana ra ao amin’ilay marary. Ho fanampin’izany dia ampiasaina indraindray mba hanampy amin’ny fanomezana oksizena kanefa tsy mila fampidirana ra, ny solon-dra sintetika iray. “Maniry hahazo ny fikarakarana ara-pitsaboana tsara indrindra ny Vavolombelon’i Jehovah”, hoy ny Dr. Spence, “nefa maniry hahazo fomba hafa noho ny fampidiran-dra izy.”
Ny Vavolombelon’i Jehovah dia velom-pankasitrahana noho ny fiaraha-miasa sy ny fanampiana efa azony avy tamin’ireo dokotera izay manaja ny hevitra ara-pivavahana ekeny mafy. Vokatr’izany, dia nahazo tokoa “ny fikarakarana ara-pitsaboana tsara indrindra” izy, ary nitana feon’ny fieritreretana madio eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitra. — 2 Timoty 1:3.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny fandinihana amin’ny an-tsipiriany an’io fomba fanaovan-javatra io sy ny anton-javatra tafiditra amin’ny fanaovana fanapahan-kevitra manokana mampiseho fahamalinana, dia voasoritra ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Jona 1989, pejy faha-30-31.