Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana
Fanatratrarana Ireo Tanàna Kely Lavitra Be any Groenland
HATRAMIN’NY am-polony taona maro ny Vavolombelon’i Jehovah dia nampiasa ireo gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! tamin’ny fitoriana ny vaovao tsara. Manandratra ny fahendren’i Jehovah araka izay voalaza ao amin’ny Teniny, dia ny Baiboly, ireo gazety ireo. Tsy mitsahatra mandinika ireo fisehoan-javatra eo amin’izao tontolo izao izay mifandray amin’ny faminanian’ny Baiboly izy ireo, ary mampihatra ny torohevitra azon’ny saina ekena ao amin’ny Baiboly amin’ireo zava-manahirana ankehitriny. — Jakoba 3:17.
Tamin’ny 1994, ny Vavolombelona any Groenland dia nanao ezaka manokana mba hanolotra Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! tamin’ny olona maro araka izay azo natao. Nandritra ny fahavaratra (any amin’ny Ila Bolan-tany Avaratra), dia nanao fandaharana izy ireo mba hitsidika ny sasany tamin’ireo tanàna kely faran’izay lavitra any Groenland. Nisy antoko-mpitory ilay Fanjakana nandeha an-tsambo nihoatra ny 4 000 kilaometatra, niakatra nanaraka ny moron-tsiraka andrefana nankany Qaanaaq (Thule), ka nahatratra ny faritra sasany farany avaratra eto an-tany. Naharitra fito herinandro ny dian’izy ireo. Teny amin’ny moron-tsiraka atsinanana, dia nisy mpivady Vavolombelona nahatratra ny tanàna kely ao Ittoqqortoormiit ary sambany izy ireo vao nitory tamin’ny fomba voalamina ny vaovao tsara tao.
Taloha kokoa tamin’io taona io, nandritra ny volana Aprily, dia gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! 7 513 no voapetraka tamin’ny mponin’i Groenland. Midika izany fa, tamin’ny antsalany, ny tsirairay tamin’ireo mpitory ilay Fanjakana 127 dia nametraka gazety 59 — gazety 1 isaky ny olona 7. Tamin’io volana io, ny Mifohaza! dia nanasongadina fitohitohizan-dahatsoratra mitondra ny lohateny eo amin’ny fonony hoe “Ny Kanseran’ny Nono — Atahoran’ny Vehivavy Rehetra”. Ny Vavolombelona iray, izay nahapetraka gazety 140, dia nametraka maromaro tamin’io Mifohaza! io, tamin’ny olona iray mpilaza vaovao ao amin’ny televiziona. Roa andro tatỳ aoriana, dia nanasongadina ireo lahatsoratra momba ny kanseran’ny nono ny fandaharana iray amin’ny filazam-baovao ao amin’ny televiziona. Nampiseho ilay gazety tao amin’ny televiziona ilay mpilaza vaovao, sady nampiseho pejy maromaro raha mbola nidera ny hatsaran’ilay fandikan-teny groenlandais. Nasongadiny koa ireo fanoloran-kevitra azo ampiharina omen’ny Mifohaza! ho fitandremam-pahasalamana misoroka mialoha.
Ilay Vavolombelona izay nametraka ireo gazety tamin’ilay mpilaza vaovao teo am-piandohana dia nadinadinina tamin’io fandaharana ao amin’ny televiziona io ihany. Namaly fanontaniana maro momba ny Vavolombelon’i Jehovah izy ary niresaka momba ny fielezan’ilay gazety be dia be tamin’io volana io. Nanazava koa ny momba ny fahendrena azo ampiharina hita ao amin’ny Baiboly izy ary nanamarika fa izany torohevitra azon’ny saina ekena izany dia afaka manampy antsika hiatrika ireo zava-manahirana amin’izao andro izao.
Nifarana tamin’ny fanadinadinana ny prezidàn’ny Fikambanana Momba ny Kansera any Groenland ilay fandaharana. Nomarihin’io prezidà io fa mbola tsy nahita boky tsara dia tsara sy ahitam-panazavana toy izany, momba io foto-kevitra io amin’ny fiteniny, izy. Avy eo izy dia nanasa an’izay rehetra liana ny amin’ny foto-kevitra momba ny kanseran’ny nono mba hamaky ireo lahatsoratra ao amin’ny Mifohaza! Nilaza izy fa misy antony tsara tokony hahavelom-pankasitrahana noho ny faharisihan’ny Vavolombelon’i Jehovah hanombo-javatra.
Toy ny any Groenland, ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany dia manohy mitory ny vaovao tsara “eny ambanin’ny lanitra rehetra eny”. (Kolosiana 1:23, NW; Asan’ny Apostoly 1:8). Amin’ny fampiasana ny zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly, anisan’izany Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza!, izy ireo dia manampy ny karazan’olona rehetra hiatrika ireo zava-manahirana amin’ny andro ankehitriny, ary manome azy ireny koa, fanantenana hoavy tsara kokoa.
[Sarintany, pejy 8]
(Jereo ny gazety)
Qaanaaq (Thule)
Ittoqqortoormiit
Nuuk (Godthåb)