FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w95 1/8 p. 3-4
  • Niova ny Andro

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Niova ny Andro
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Mitovitovy Aminy
  • Mpanjaka Hendry i Solomona
    Inona no Voalaza ao Amin’ny Baiboly?
  • Ohatra Tsara i Solomona sa Ohatra Ratsy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Solomona
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Voagadran’ny Fahantrana
    Mifohaza!—1998
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
w95 1/8 p. 3-4

Niova ny Andro

TSY MAINTSY nahafaly toy inona moa ny hoe niaina teo amin’ny Isiraely fahiny, teo ambanin’ny fanapahana be voninahitr’i Solomona Mpanjaka nahatoky! Fe-potoam-piadanana sy fanambinana ary fahasambarana tamin’izany. Nandritra ny fotoana nifaharan’i Solomona tamin’ny fanompoam-pivavahana marina, dia nitahy be dia be an’ilay firenena i Jehovah. Ho an’i Solomona Mpanjaka, Andriamanitra dia tsy vitan’ny hoe nanome harena be, fa nanome azy “saina hendry sady mahiratra” koa, mba hahafahan’i Solomona hanapaka tamin’ny fahitsiana sy ny fitiavana. (1 Mpanjaka 3:12). Hoy ny Baiboly: “Ny mpanjaka rehetra ambonin’ny tany nitady hahita ny tavan’i Solomona mba hihaino ny fahendrena, izay nataon’Andriamanitra tao am-pony.” — 2 Tantara 9:23.

Ho an’ny vahoaka, dia nanome tsy fananana ahiahy sy fiadanana ary zava-tsoa tondraka i Jehovah. Hoy ny Tenin’Andriamanitra: “Ary ny Joda sy ny Isiraely dia maro, tahaka ny fasika amoron-dranomasina ny hamarony, sady mihinana sy misotro ary mifaly.” Tamin’ny heviny ara-bakiteny sy ara-panoharana, ny olona dia “nandry fahizay tamin’ny andron’i Solomona rehetra, samy teny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny”. — 1 Mpanjaka 4:20; 1 Mpanjaka 5:5.

Niova ny andro. Tena hafa tanteraka noho ny tamin’izany andro nahasambatra taloha ela izany ny fiainana amin’izao andro izao. Tsy tahaka ny tamin’ny andron’i Solomona, fa ny olana lehibe iray amin’izao andro izao dia ny fahantrana. Na dia any amin’ireo tany manankarena aza, dia misy ny fahantrana. Ohatra, any Etazonia sy any amin’ny Vondrona Eoropeanina, dia saika ny 15 isan-jaton’ny olona no miaina ao anatin’ny fahantrana, hoy ny fanamarihan’ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana Momba ny Fampandrosoana.

Mikasika ny tarehin-javatra maneran-tany, dia manao fanamarihana ny The State of the World’s Children 1994, tatitra iray nataon’ny UNICEF (Tahirim-bolan’ny Firenena Mikambana ho An’ny Ankizy), fa ny ampahadimin’ny mponina maneran-tany dia miaina ao anatin’ny fahantrana tanteraka, ary nanampiny fa ho an’ny ankamaroan’ireo mahantra maneran-tany, ny fiainana dia “mihamanjary sarotra sy mampamoy fo kokoa”.

Any amin’ny tany sasany, ny fidangan’ny vidim-piainana dia manampy trotraka amin’ireo zava-manahirana ny mahantra. Hoy ny vehivavy iray ao amin’ny tany iray atsy Afrika: “Mahita zavatra iray ianao eny an-tsena, ary hoy ianao: ‘Eny àry, aoka aho ho any an-trano haka vola hividianako azy.’ Miverina ianao afaka adiny iray atỳ aoriana dia ilazana fotsiny ianao fa tsy afaka mividy ilay izy satria vao nisondrotra ny vidiny. Inona no hataon’ny olona iray? Tena mahasosotra izany.”

Hoy ny vehivavy hafa iray any: ‘Mba hahatafitana velona, dia manadino ireo zavatra ilaina hafa izahay. Ny fomba ahazoana sakafo izao no mitana ny sainay.’

Araka ny voalazan’ny Firenena Mikambana, dia hita ho mahaketraka ny hoavy. Manombana ny UNICEF, ohatra, fa raha mitohy ny fironan’ny fitomboan’ny mponina ankehitriny, dia hitombo avo efatra heny ny isan’ny olona mahantra maneran-tany “ao anatin’ny androm-piainana iray”.

Kanefa, na dia eo aza ny fiharatsian’ny toe-karena sy ny toe-piainana ara-tsosialy, ny mpanompon’Andriamanitra dia manana antony hironana hijery lafy tsaran-javatra. Na dia miaina eo anivon’ireo izay mihevitra ny hoavy amin’ny fironana mihamitombo tsy hijery afa-tsy ny lafy ratsin-javatra aza ny mpanompon’Andriamanitra, dia mijery ny hoavy amim-pifaliana sy amim-patokiana izy ireo. Hamakafaka ireo anton’izany ny lahatsoratra manaraka.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]

De Grunne/Sipa Press

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara