“Tafahoatra ny Fefin’ny Saina Salama”
“KOA satria manomboka ao an-tsain’ny olona ny ady, dia ao an-tsain’ny olona no tsy maintsy ananganantsika manda fiarovana ho an’ny fandriampahalemana.” (Dinan’ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny Siansa sy ny Kolontsaina ary ny Fanabeazana). Tao an-tsaina io filazana io raha nandinika ny anjara asan’ny fivavahana teo amin’ny fanorenana izany manda fiarovana izany, ireo manam-pahaizana manokana maherin’ny 500 nanatrika ny kaonferansa nataon’ny Firenena Mikambana momba ny famerana ny fitaovam-piadiana, tamin’ny 1993.
I Jonathan Granoff, solontenan’ny Lawyers’ Alliance for World Security, no nitarika ilay kaonferansa. Nanao izao fanamarihana izao izy: “Ny fitaran’ny ady ara-pivavahana sy ara-pirazanana amin’izao andro izao dia tafahoatra ny fefin’ny fitondran-tenan’ny olo-mandroso, mety ho tafahoatra ny fefin’ny saina salama mihitsy aza.” Nifanentana tsara ny nanononana nandritra ilay kaonferansa an’ireo tenin’i John Kenneth Galbraith manao hoe: “Olona betsaka kokoa no novonoina tamin’ny anaran’ny fivavahana noho ny tamin’ireo ady sy loza voajanahary mitambatra.”
Hoy ny Dr. Seshagiri Rao: “Ny mpitsabo dia antenaina hanasitrana fa tsy hampihanaka aretina. Ireo lovantsofina ara-pivavahana dia tsy antenaina hampihanaka fankahalana sy ady feno herisetra ifamelezana. Natao ho hery fampihavanana izy ireny. Eo amin’ny tena izy anefa, dia niasa ary mbola miasa ho toy ny hery mampisaratsaraka izy ireny matetika.”
Taona vitsivitsy lasa izay, ny Catholic Herald tany Londres dia nanazava fa azo atao ny miantoka ny hisian’ny fandriampahalemana “raha toa ireo fiangonana amin’izao andro izao ka afaka manambara fiaraha-manameloka ny ady.” Nanampy teny toy izao anefa ilay gazety: “Fantatsika fa tsy hitranga na oviana na oviana izany.” Nanazava toy izao ny relijiozy katolika iray indray mandeha: “Tena ho hafa tanteraka izao tontolo izao raha toa indray maraina any isika ka hifoha ary ho tapa-kevitra mafy ny tsy handray fitaovam-piadiana intsony, (...) tahaka ireo Vavolombelon’i Jehovah!”
[Sary nahazoan-dalana, pejy 32]
Tom Haley/Sipa Press