Ireo Nahazo Diplaoman’i Gileada — “Tena Misionera!”
“INONA no atao hoe misionera?” Io fanontaniana io dia napetraky ny mpanao lahatsoratra an-gazety iray efa ho efapolo taona lasa izay. Nanjohy hevitra ilay mpanoratra fa ireo tena misionera dia fitaovam-panavaozana ara-tsosialy sy ara-toe-karena. Kanefa, ny alahady 5 Martsa 1995, tao amin’ny Efitrano Fivoriambe An’ny Vavolombelon’i Jehovah any Jersey City, dia nisy valiny hafa tanteraka nomena sy nantitranterina. Ilay fisehoan-javatra? Ny fizarana diplaoma ho an’ny kilasy faha-98-n’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower — sekoly izay nandefa misionera nanerana izao tontolo izao!
Taorian’ny hira sy ny vavaka fanokafana, i Albert D. Schroeder avy amin’ny Fitambara-mpitantana dia niarahaba tonga soa tamin-kafanana ny rehetra niisa 6 430 tonga nanatrika teo. Tao amin’ny teny fampidirany, ny Rahalahy Schroeder dia nampiseho mazava ny antony maha-hafa an’ireo nahazo diplaoman’i Gileada amin’ireo olon-kafa izay nitonona ho misionera. Hoy izy: “Ny Baiboly no boky fianarana lehibe indrindra ho an’i Gileada.” Ampiofanina, tsy ho mpanao asa sosialy, fa ho mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra, ireo nahazo diplaoma tao Gileada. Araka izany, izy ireo dia ampy fahaizana mba tsy hikarakara afa-tsy izay ilain’ny olona any amin’ny tany hafa eo amin’ny lafiny ara-panahy.
Niresaka ny amin’ny lafiny hafa maro izay anomezan’ireo nahazo diplaoman’i Gileada porofon’ny maha-“tena” misionera azy, ireo mpandahateny nanaraka. Namelabelatra tamin’izy ireo ilay foto-kevitra hoe “Manohiza Mamoa Vokatra Tsara dia Tsara Amin’ny Maha-misionera”, i Charles Molohan. Naka ny tenin’ny apostoly Paoly ao amin’ny Kolosiana 1:9, 10 ny Rahalahy Molohan, ka nampahatsiaro an’ireo hahazo diplaoma fa nanampy azy ireo hitombo “amin’ny fahalalana [araka ny marina, NW ] an’Andriamanitra” ireo dimy volana lasa nolaniny tao Gileada. Izany dia hanampy azy ireo hamoa vokatra amin’ny fomba roa: amin’ny fampisehoana ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra sy amin’ny fizarana amin’ny hafa ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly.
Nanaraka azy i Daniel Sydlik avy amin’ny Fitambara-mpitantana, nanazava ilay foto-kevitra mampieritreritra hoe “Aza Manao Varo-boba ny Ainao”. Notononiny ny fanontanian’i Jesosy hoe: “Inona no homen’ny olona ho takalon’ny ainy?” (Matio 16:26). Nanao fanamarihana toy izao ny Rahalahy Sydlik: “Nanakalo ny ainy tamin’ny fomba fiaina moramorainy kokoa, ahitam-pahafinaretana kokoa ny olona.” Kanefa, ireo izay manam-pinoana velona dia tsy afaka manaiky lembenana eo anatrehan’ny fisedrana sy ny fitsapana. Asehon’ny tenin’i Jesosy fa tsy maintsy ho vonona ny ‘hanome’, izany hoe, hanao sorona, ny olona iray mba hahazoana ny fanahiny, na ny ainy. Nampirisihina ireo misionera vaovao mba hanome ho an’i Jehovah ny fanahiny rehetra, ny tsara indrindra ananany, amin’ny fanompoana azy!
Nanaraka izany, i William Van de Wall avy amin’ny Komitin’ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana dia namelabelatra ilay foto-kevitra hoe “Ny Apostoly Paoly — Ohatra Mendrika ny Hotahafina”. Nanazava toy izao ny Rahalahy Van de Wall: “Nitarika ny asa misionera tamin’ny taonjato voalohany i Paoly.” Nifanentana àry ny nanasongadinana ny lafiny efatra izay namelan’ny apostoly Paoly ohatra tsara ho an’ireo misionera amin’izao andro izao: 1) ny fiahiana sy ny fitiavana marina nasehon’i Paoly tamin’ny olona, 2) ny fahitany vokatra teo amin’ny fanompoana, 3) ny fandavany tamim-panetren-tena tsy hampisondrotra ny tenany, 4) ny fitokiany tsy nisy fisalasalana tamin’i Jehovah.
“Avelao I Jehovah Handinika Anareo any Amin’ny Toerana Anendrena Anareo Vaovao”. Izany no foto-kevitra novelabelarin’i Lyman A. Swingle avy amin’ny Fitambara-mpitantana. Nampiasa ny teny natao hovakina tamin’io andro io, ny Salamo 139:16, ny Rahalahy Swingle ary niaiky fa, amin’ny maha-misionera vaovao azy ireo, dia ho tojo zava-manahirana maro izy any amin’ny toerana anendrena azy ary mahalala ny vahaolana i Jehovah. “Manatòna azy”, hoy ny fampirisihany, “miresaha aminy rehefa manana zava-manahirana ianareo. Fantaro ny sitrapony.”
Avy eo i John E. Barr avy amin’ny Fitambara-mpitantana dia namelabelatra ilay foto-kevitra hoe “Mitombo Fatratra ny Finoanareo”. (2 Tesaloniana 1:3). Ao amin’ny Lioka 17:1, dia vakintsika fa nilaza i Jesosy hoe: “Tsy maintsy ho avy ny fahatafintohinana”. Tafintohina noho ny toetra maha-izy ny misionera namany ny sasany. Kanefa, nampirisika an’ireo misionera ny Rahalahy Barr mba hanana ny finoana ilaina mba hamelana heloka. Eny tokoa fa tamin’io resaka io no nitalahoan’ireo mpianatr’i Jesosy hoe: “Ampitomboy ny finoanay.” (Lioka 17:2-5). Mety hotsapaina koa ny finoan’ireo misionera rehefa misy fanitsiana maro samihafa ao amin’ny fandaminana. “Manana ny finoana hanekena azy ireny ve isika”, hoy ny fanontanian’ny Rahalahy Barr, “sa ho tonga vato misakana toy ny tendrombohitra izy ireny?”
Avy eo dia nisy fananarana avy tamin’ireo mpampianatra roa ao Gileada. Nampirisika mafy an’ireo nahazo diplaoma i Jack Redford mba hihazona toe-tsaina manorina. Niresaka izy ny amin’ny misionera iray izay nandao ny fanendrena azy rehefa avy novazivazin’ireo misionera namany. Mampitandrina antsika anefa ny Soratra Masina mba tsy halaky tezitra tsy amin’antony. (Mpitoriteny 7:9). “Manàna ny toe-tsaina mety”, hoy ny fampirisihany. “Mamelà ireo fahadisoana sy tsy fahalavorarian’ny hafa manodidina anao.”
I U. V. Glass, mpitantsoratra ao Gileada, avy eo dia nanontany hoe: “Vonona ny hiatrika ny ‘fotoana sy ny sampona’ ve ianareo?” (Mpitoriteny 9:11). “Iharan’ny fiovana foana ny fiainantsika”, hoy ny fanamarihan’ny Rahalahy Glass, “ary mety ho tena hampikorontana anaty ny sasany.” Nisy misionera tratran’ny tsy fahasalamana sy ny aretina ary ny zava-manahirana ara-pianakaviana tamin’ny fomba tsy nampoizina ka voatery nandao ny fanendrena azy ny sasany. “Tsy maninona izay mety ho sampona”, hoy ny Rahalahy Glass, “fa fantatsika fa mahafantatra tsara izany i Jehovah ary miahy izy. Raha mametraka ny fitokiantsika aminy isika, dia fantatsika fa ho tafavoaka ho mpandresy isika!”
Nahatratra ny fara heriny ireo lahateny nifanarakaraka ny maraina tamin’ny lahateny iray nitondra ny lohateny hoe “Voatokana ho Amin’ny Fanompoan’ny Misionera”. I Theodore Jaracz avy amin’ny Fitambara-mpitantana no nametraka ilay fanontaniana teo am-piandohana hoe: “Inona no atao hoe misionera?” Ho valiny, dia namelabelatra ny Asan’ny Apostoly toko faha-13 sy 14 momba ny asa misionera nataon’i Paoly sy i Barnabasy izy. Mazava fa io asa io dia nifantoka, tsy tamin’ny fanamaivanana ireo zava-manahirana ara-tsosialy, fa tamin’ny ‘fanambarana ny vaovao tsara’. (Asan’ny Apostoly 13:32, NW ). Nanontany ny Rahalahy Jaracz hoe: “Tsy manaiky ve ianareo fa nasehon’i Paoly sy i Barnabasy hoe tokony hanao ahoana ny tena misionera?” Tamin’izay i Robert Tracy, misionera ampy fanandraman-javatra, avy any Meksika dia nasaina nitantara zava-nitranga sasany manafana ny fo hitany manokana amin’ny maha-mpitory ny filazantsara.
Nahatratra ny fara heriny ny fandaharana ny maraina rehefa nizara diplaoma tamin’ireo mpianatra 48 ny Rahalahy Schroeder. Nientam-po ny mpanatrika nandre ny anaran’ireo tany 21 izay nanendrena ireo misionera: Barbade, Bénin, Bolivia, Costa Rica, Côte d’Ivoire, Ekoatera, Estonie, Guinée-Bissau, Guinée Équatoriale, Honduras, Lettonie, Maurice, Mozambika, Nikaragoay, Nosy Sous-le-vent, Paragoay, Peroa, République Centraficaine, Sénégal, Taïwan, sy i Venezoela.
Taorian’ny fiatoana tamin’ny sakafo, dia nivory indray ny mpanatrika ka nankamamy ny fianarana velombelona Ny Tilikambo Fiambenana, notarihin’i Robert P. Johnson avy amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana. Namaly ny fanontaniana ireo anisan’ny kilasy faha-98. Izany dia narahin’ny fitohitohizam-panadinadinana nahafinaritra notarihin’ireo mpiasan’i Gileada. Nahazo fampaherezana indrindra ny mpanatrika rehefa nitantara ny fanandraman-javatra hitany teny amin’ny saha sy nilaza ny fihetseham-pony momba ny fanendrena azy ho any an-toeran-kafa, ireo nahazo diplaoma.
Nandritra ny enin-taona sy tapany, ny sekolin’i Gileada dia tany amin’ny tranon’ny Fikambanana Watchtower any Wallkill, any New York. Tamin’ny Aprily 1995 anefa, ilay sekoly dia nafindra tao amin’ny Foibem-pampianarana an’ny Watchtower naorina vao haingana any Patterson, any New York. Inona no tsapan’ny fianakavian’ny Betela any Wallkill momba izany fiovana izany? Tamin’io fizarana diplaoma io dia nisy maro avy ao Wallkill nadinadinina. Nahariharin’ny tenin’izy ireo nampihetsi-po fa namela soritra maharitra teo aminy ireo mpianatr’i Gileada. Mazava fa ireny lehilahy sy vehivavy feno fahavononana ireny dia tena misionera — manetry tena, manana fahafoizan-tena, miahy lalina ny momba ny hanampiana ny hafa.
Rehefa nifarana ilay fotoana nizarana diplaoma, dia natoky ny mpanatrika rehetra fa hanohy hanao amim-pahombiazana izay efa nataony nandritra ny 50 taona mahery ny Sekolin’i Gileada — hamoaka tena misionera!
[Efajoro, pejy 18]
Antontan’isa Momba Ilay Kilasy:
Isan’ny tany nanana solontena: 8
Isan’ny tany nanendrena: 21
Isan’ny mpianatra: 48
Antsalan’ny taona: 32,72
Antsalan’ny taona naha-tao amin’ny fahamarinana: 15,48
Antsalan’ny taona naha-tao amin’ny fanompoana manontolo andro: 10,91
[Sary, pejy 18]
Ny Kilasy Faha-98 Nahazo Diplaoman’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower
Eo amin’ny lisitra eto ambany, ireo laharana dia tononina avy eo aloha mankany aoriana, ary ireo anarana tononina avy eo ankavia miankavanana isaky ny laharana.
1) Eszlinger, A.; Mann, T.; Rivera, G.; Baruero, M.; Vaz, M.; Durga, K.; Silweryx H.; Alvarado, D. 2) Toth, B.; Segarra, S.; Hart, R.; Rooryck, I.; Escobar, P.; Ejstrup, J.; Sligh, L.; Rivera, E. 3) Archard, D.; Snaith, S.; Marciel, P.; Koljonen, D.; Waddell, S.; Blackburn, L.; Escobar, M.; Archard, K. 4) Hart, M.; Toth, S.; Koljonen, J.; Bergman, H.; Mann, D.; Blackburn, J.; Park, D.; Vaz, F. 5) Segarra, S.; Sligh, L.; Leslie, L.; Bergman, B.; Baruero, W.; Alvarado, J.; Leslie, D.; Park, D. 6) Silweryx, K.; Eszlinger, R.; Waddell, J.; Snaith, K.; Durga, A.; Rooryck, F.; Ejstrup, C.; Marciel, D.