Fivoriamben’ny Distrika “Mpidera An’Andriamanitra Amim-pifaliana” — Hanatrika ao ve Ianao?
FIFALIANA! Toa tsy mahazatra sady tsy mifanentana mihitsy amin’izao fotoana be tebiteby izao ve izany teny izany? Marina tokoa fa ireo gazety dia tsy manome antony maro mba hahafaly antsika. Adim-poko, hanoanana miely ombieny ombieny, tsy fisian’asa, fandotoana mampidi-doza, fihilangilanana ara-politika, heloka bevava — ireo dia zavatra tsy mameno hafaliana ny fo sa tsy izany?
Ny ankamaroan’ny olona amin’izao andro izao dia miezaka manararaotra izay fahafinaretana rehetra azony alaina avy amin’ny fiainana. Ahoana anefa ny amin’ny fifaliana? Ny fifaliana, dia nolazalazaina ho “toe-pahasambarana, haravoana”. Tsy firy ny olona mahita ny tena fifaliana, ary raha mahita izany izy ireo dia matetika mihelina ihany.
Tamin’ny fiandrandrana izao androntsika izao anefa, dia nanambara mialoha toy izao ny Baiboly: ‘Izao no lazain’i Jehovah Tompo: Indro, ny mpanompoko hifaly; indro ny mpanompoko hihoby noho ny faharavoam-po’. (Isaia 65:13, 14). Fomba ahoana no hahatonga izany hety?
Mba hahitana ny valiny, dia manasa anao izahay hanatrika ny fivoriamben’ny distrikan’ny Vavolombelon’i Jehovah hatao amin’itỳ 1995 itỳ. Ny loha hevitr’ireo fivoriamben’ny distrika dia hoe “Mpidera An’Andriamanitra Amim-pifaliana” ary tsy handoavam-bola ny fanatrehana izany. Ny fandaharan’ny fivoriambe haharitra telo andro dia hahatafiditra lahateny miorina amin’ny Baiboly, fampisehoana, fiaraha-midinika, sy maro hafa koa. Hasongadina mandritra ny fandaharana manontolo ny loha hevitra ny amin’ny fifaliana.
Hanomboka any Etazonia amin’ny Jona ireo fivoriambe ary hitohy any amin’ny tanàn-dehibe maro manerana ny tany hatramin’ny fiandohan’ny taona 1996. Azo inoana fa hisy iray any akaikin’ny toerana misy anao. Nahoana raha manontany ny Vavolombelon’i Jehovah mipetraka ao amin’ny faritra misy anao? Manasa anao amin-kafanam-po izahay mba hanatrika ao.