“Fivarotana Sira” Tatsy Mozambika
I FRANCISCO COANA, anisan’ny komity niandraikitra ny asa tatsy Mozambika, dia nandany folo taona tany amin’ny “toby fanarenana”. Mitantara ny fanandraman-javatra hitany izy: “Fantatro fa tsy maintsy hijanona teto nandritra ny fotoana ela ihany izahay, koa nanontany ny mpiandraikitra ny fizaran-tany aho raha toa ka azoko notohizana ny asako tamin’ny naha-mpisava lalana maharitra. Ahoana anefa no hahafahako hanokana fotoana ampy ho amin’ny asa fanompoana ampahibemaso, satria saika Vavolombelon’i Jehovah avokoa ny olona rehetra tao amin’ireo toby? Hoy aho hoe handeha hankany Milange, tanàna iray any amin’ny 47 kilaometatra aho, mba hahita olona hitoriana.
“Na dia tsy nomena lalana tamin’ny fomba ofisialy aza izahay mba hiala ny toby, dia tsy nampiharina tamin’ny fomba hentitra io lalàna io. Tadidiko aho nandeha nankany anaty ala, nandohalika ka nivavaka mba hahita fomba hitoriana tamin’ny olona tany an-toerana. Tsy ela dia namaly ny vavaka nataoko i Jehovah.
“Nifandray tamin’ny lehilahy iray izay nanana bisikilety aho, ka nifanaraka taminy. Nanaiky izy fa raha toa aho niasa ny taniny, izay nirefy 3/4 hektara, alohan’ny fahavaratra, dia ilay bisikilety no ho karamako. Koa isa-maraina aho dia niasa ny tanimboliny. Nitahy io fandaharana io i Jehovah, satria tamin’ny farany dia azoko ilay bisikilety.
“Ny vokany dia afaka nankany amin’ny tanàna midadasik’i Milange aho ary nanohy ny asan’ny mpisava lalana tamin’ny fomba nandaitra tao amin’io saha fitoriana mahavokatra io. Koa satria teo ambanin’ny fandrarana ny asanay, dia tsy maintsy namorona tetika aho mba hampidirana ny fahamarinana tamin’ny olona. Sady nitondra ireo boky sy gazety nafenina tao anaty lobako aho no naka sira tao anatin’ny kitapo ary nanao fivarotana sira. Tsy nivarotra azy io méticais 5 aho fa méticais 15 kosa no nangatahiko. (Raha mora loatra mantsy ilay izy dia hovidin’ny olona daholo, ka tsy hanan-tsira hampiasaina mba hitoriana intsony aho!) Tahatahaka izao manaraka izao ny fandehan’ny resaka nifanaovako tamin’ny olona:
“ ‘Manahoana! Mivarotra sira aho androany.’
“ ‘Ohatrinona?’
“‘Dimy ambin’ny folo méticais.’
“ ‘An an. Lafo be loatra izany!’
“‘Eny e, ekeko fa lafo izany. Raha eritreretinao anefa fa lafo izany izao, dia andraso fotoana kely satria mbola ho lafo kokoa izany aoriana. Fantatrao ve fa efa naminany izany ny Baiboly?’
“‘Tsy mbola namaky izany tao amin’ny Baiboliko mihitsy aho.’
“‘Eny, ao tokoa izany. Ento atỳ ny Baibolinao dia hasehoko anao.’
“Ny resaka nifanaovana toy izany dia niafara tamin’ny fampiasana ny Baiboliny, koa afaka nitoetra niafina tao anatin’ny lobako ny ahy. Nitarika ny saina ho amin’ny Apokalypsy toko faha-6, mikasika ireo toe-piainana sarotra sy ny mosary, aho. Raha tsapako fa nisy fihetsika tsara, dia navoakako Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay na Ny Vaovao Tsara Hahatonga Anao ho Sambatra, ary natomboko ny fampianarana Baiboly araka ny fomba fanao.
“Vokatr’izany dia afaka nanomboka fampianarana Baiboly tamin’ny antokon’olona liana 15 aho tao Milange. Tsy ela anefa dia nahafantatra ny asa nataonay ireo manam-pahefana. Indray andro, raha teo am-pitarihana fampianarana Baiboly iray aho, dia niditra tampoka tao an-tranon’ilay olona nianatra Baiboly ny polisy ary nisambotra anay. Nentina tany an-tranomaizina teo an-toerana izahay rehetra, anisan’izany ireo ankizikely tao amin’ilay fianakaviana. Rehefa nandany iray volana tao izahay rehetra, dia nalefa niverina tany amin’ny toby indray.”
Izany fanandraman-javatra izany dia tsy nampihena ny zotom-pon’ireo rahalahintsika. Mifanohitra amin’izany, i Francisco sy ny fianakaviany, sy ireo rahalahiny an’arivony maro tao amin’ireo toby dia manompo sy mitory ao anatin’ny fahalalahana ankehitriny atsy Mozambika.