Asaina Amim-pitiavana Ianao
Ny fahafatesan’ilay lehilahy atao hoe Jesosy Kristy, efa maherin’ny 1 900 taona lasa izay, no fisehoan-javatra lehibe indrindra teo amin’ny tantaran’ny olombelona. Izy io no nanokatra ny fahatsinjovana ny hahazo fiainana mandrakizay eo amin’ny tany tonga paradisa. Nandritra ny fankalazana tsotra iray, i Jesosy dia nampiasa mofo tsy nisy lalivay sy divay ho marika nampisehoana ny sorona olombelona feno fitiavana nataony. avy eo izy dia niteny tamin’ny mpianany hoe: “Aza mitsahatra manao izao ho fahatsiarovana ahy.” (Lioka 22:19, NW ). Hahatsiaro io fisehoan-javatra lehibe io ve ianao? Manasa anao amim-pitiavana ny Vavolombelon’i Jehovah mba hiara-mitandrina aminy an’io fankalazana ny Fahatsiarovana io. hatao aorian’ny filentehan’ny masoandro izy io, amin’ny daty mifanitsy amin’ny 14 Nisana ao amin’ny kalandrie araka ny volana ao amin’ny Baiboly. Azonao atao ny manatrika any amin’izay Efitrano Fanjakana akaiky indrindra ny misy anao. Hamarino amin’ny Vavolombelon’i Jehovah eo an-toerana ny toerana sy ny ora marina hanaovana izany. Ny daty ho an’ny fankalazana amin’itỳ 1995 itỳ, dia ny zoma 14 Aprily.