FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w95 1/4 p. 9
  • Fitoriana Amin’ny Vanim-potoana Sarotra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fitoriana Amin’ny Vanim-potoana Sarotra
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny hôpitaly — Fanampiana ho an’ny marary
    Mifohaza!—1991
  • Fizarana 4: Vavolombelona any Amin’ny Faritra Lavitra Indrindra Amin’ny Tany
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
  • Fizarana 5: Vavolombelona any Amin’ny Faritra Lavitra Indrindra Amin’ny Tany
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
  • Aoka isika hilaza ny voninahitry ny fiandrianan’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
w95 1/4 p. 9

Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana

Fitoriana Amin’ny Vanim-potoana Sarotra

NAMBARAN’NY apostoly Paoly mialoha fa “amin’ny andro farany dia hisy fotoan-tsarotra tsy ho mora setraina”. (2 Timoty 3:1, NW ). Hita ho araka ny marina toy inona moa ireo teny ireo! Nandia izany zava-misy mangidy izany hatramin’ny fotoana ela ny mponin’i Salvador any Amerika Afovoany. Nandritra ny folo taona mahery, io tany io dia tafalentika tao anatin’ny ady an-trano iray izay nitondra fahantrana sy fahafatesana ho an’ny olona an’arivony maro. Vita ilay ady ankehitriny, saingy mbola mitoetra ny fahantrana. Nitombo tamin’ny fomba nahery vaika ny heloka bevava taorian’ilay ady. Hoy ny mpilaza vaovao iray ao amin’ny televiziona any an-toerana vao haingana: “Zava-mitranga isan’andro ny herisetra sy ny fandrobana ankehitriny.”

Tsy voatsimbina amin’izany onjan-keloka bevava izany ny Vavolombelon’i Jehovah. Nisy mpamaky trano namaky Efitrano Fanjakana maro ka nangalatra fitaovam-pandefasam-peo. Indraindray dia nisy andian-tanora mpihetraketraka nitam-piadiana nitsofoka tamin-kerisetra tao amin’ny Efitrano Fanjakana raha mbola nandeha ireo fivoriana kristiana, ka nangalatra vola, famantaranandro, sy zavatra lafo vidy hafa tamin’ireo mpanatrika. Nisy Vavolombelona maro novonoin’ireo mpandroba mihitsy aza, raha mbola teo am-panaovana ny asa aman-draharahany andavanandro izy ireo.

Na dia eo aza ireny vato misakana ireny, dia manohy miezaka mafy amin’ny fitoriana ny vaovao tsara ny Vavolombelon’i Jehovah any Salvador. Manao izany izy ireo ho fankatoavana ilay baiko ao amin’ny Soratra Masina hoe: “Ny firenena rehetra tsy maintsy hitoriana ny filazantsara aloha.” (Marka 13:10). Mbola misy olona maro ao amin’io tany io, maniry fatratra ny fanantenana momba ilay Fanjakana atolotry ny Baiboly, ary eo am-piezahana ny hanatratra ny tsirairay avy amin’izy ireny ny Vavolombelona. Hita ho fomba fitoriana mandaitra ny fanaovana fanambarana tsy ara-potoana.

Raha mbola nandray fitsaboana tany amin’ny hopitaly ny Vavolombelona iray, dia nampiasa ny fahafahana rehetra mba hiresahana tamin’ireo marary hafa momba ireo fampanantenan’Andriamanitra ny amin’ny hoavy, araka izay hita ao amin’ny Baiboly, izy. Nitaraina tamin’alahelo toy izao ny olona iray narary mafy: “Tsy ho ela dia ho faty aho!” Tsy nahakivy an’ilay Vavolombelona tsy hizara ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra anefa ny fomba fijery nanjombona nananan’ilay marary. Novakiny mafy tamin’ilay lehilahy kosa ny tao amin’ilay boky hoe Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Andro vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nandao ny hopitaly ilay Vavolombelona, nieritreritra tamin’alahelo fa nadiva ho faty ilay rangahy.

Efa-taona tatỳ aoriana, dia tsy maintsy nandalo fitsaboana tany amin’ny hopitaly hafa ilay Vavolombelona. Fony izy tao, dia nisy marary iray nanatona azy ka nanao hoe: “Tadidinao ve aho?” Hay io ilay lehilahy nihaona taminy efa-taona lasa izay, ilay noheverina fa teo am-pialana aina! Fahagagana nahafaly re izany rehefa namihina azy ilay lehilahy ka nanampy teny hoe: “Vavolombelon’i Jehovah koa aho ankehitriny!” Nanaiky ny fampanantenan’ny Baiboly ny amin’ny hoavy ilay lehilahy, nianatra ny Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ary nanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah. Tsy vitan’ny hoe Vavolombelona izy fa mandray anjara amin’ny fanompoana manontolo andro amin’ny maha-mpisava lalana maharitra koa, efa ho roa taona izao.

Tamin’io ohatra io, ny voan’ny fahamarinana izay nafafy tamin’ny fitoriana tsy ara-potoana dia nahatratra fo nandray tsara iray. Manosika ny Kristiana marina hanohy ny asa fitoriana izany tombontsoa manampy ny olona ho tonga amin’ny fahalalana ny fahamarinana izany, na dia eo aza izao ‘fotoan-tsarotra tsy mora setraina’ izao.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara