Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana
Manolo-tena An-tsitrapo ny Vahoakan’Andriamanitra
I JOSEFA no anarany, ary teraka tao amin’ny nosin’i Kyprosy izy. Izy dia anisan’ireo Kristiana tamin’ny taonjato voalohany izay nivarotra tany sy trano mba hanampiana ara-bola ny fandrosoan’ny Kristianisma. Noho ny fahaizany mahatakatra ny fihetseham-pon’ny hafa sy ny fahalalan-tanany, dia nanjary fantatra tamin’ny anarana hoe Barnabasy, izay midika hoe “Zanaky ny fananarana [“fampiononana”, NW ]” izy. — Asan’ny Apostoly 4:34-37.
Ny fiahiana marina ny hafa toy izany dia marika nahafantarana foana ireo tena mpivavaka amin’i Jehovah. Tsy misy hafa amin’izany ireo Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao, araka izay asongadin’ny fitantarana manaraka avy any amin’ireo Nosy Salomon.
Ny antokona Vavolombelona maherin’ny 60 avy any Aostralia sy Nouvelle-Zélande dia nanao dia nankany Honiara, renivohitr’ireo Nosy Salomon, eo amin’ny nosin’i Guadalcanal. Tonga tany izy ireo mba hanampy amin’ny fanorenana Efitrano Fanaovana Fivoriambe atao ho an’ireo fihaonana kristiana lehibe. Teo amin’ny tapa-bolana teo ho eo monja no nananganan’izy ireo ny efitrano iray omby olona mipetraka eo amin’ny 1 200 eo!
Sahabo ho tamin’izany fotoana izany, ny manam-pahefana tao amin’ny tanàna kelin’i Munda, eo amin’ny nosy New Georgia dia nanome ny taratasy ara-dalàna fananana ny sombin-tany iray voafaritra tsara tao afovoan-tanàna. Izy ireo dia naniry hanorina Efitrano Fanjakana, toerana iray fanaovana fanompoam-pivavahana. Ary nila iray marina tokoa izy ireo. Tao amin’ny efitra lehibe amin’ny trano falafa kely iray no nivoriany, nefa izy ireo dia tsy nanana fidiram-bola mba hanorenana Efitrano Fanjakana iray.a Voaforon’ny zokiolona sy kilemaina ary ankizy tamin’ny ankamaroany ilay kongregasiona, ary tsy nisy nanana fanandraman-javatra tamin’ny asa fanorenana.
Sahabo ho 380 kilaometatra avy teo, eo amin’ny nosin’i Guadalcanal, dia nanolotra ny tenany an-tsitrapo ireo Vavolombelona tao amin’ny tanànan’i Honiara. (Salamo 110:3). Nanjohy hevitra toy izao izy ireo: “Raha vonona nanorina Efitrano Fanaovana Fivoriambe ho anay tao anatin’ny tapa-bolana ireo rahalahinay avy tany amin’ny tany hafa, dia azo antoka fa afaka manampy ireo rahalahinay ao Munda hanorina Efitrano Fanjakana iray ao anatin’ny tapa-bolana izahay.”
Izany no nitranga. Indray andro dia tonga tao Munda ny sambo fitana iray feno Vavolombelona mpiasa an-tsitrapo mafana fo sady falifaly. Samy nisahirana avokoa ny lehilahy sy ny vehivavy, ny antitra sy ny tanora nampidina ny entany avy tao an-tsambo ary nivonona hanomboka ny fanorenana tamin’ny hazo fisaka, ny simenitra, ny tafo vy sy ny fitaovana hafa izay tonga tao Munda talohan’izy ireo.
Tsy ela taorian’ny nanombohan’ny asa anefa dia nisy oram-baratra nanapaka ny famatsiana rano ny tanàna. Tsy zava-nanahirana tsy azo nihoarana anefa izany. Nihady lava-pantsakana izay namatsy rano nandritra ny asa fanorenana manontolo, ireo Vavolombelona. Ahoana ny amin’ny sakafon’ireo mpiasa rehetra ireo? Tsy zava-nanahirana koa izany. Nampitondrain’ireo kongregasiona tao Honiara sakafo be dia be ireo mpiasa an-tsitrapo rehefa niainga. Nitondra ny mpahandrony mihitsy aza izy ireo!
Ireo olona teo amin’ny manodidina dia nijery ny fandroson’ny tetikasa tamim-pahatalanjonana. Nilaza toy izao ny iray taminy: “Mazàna ny tetikasa lehibe dia tsy vita ao anatin’ny andro vitsivitsy fotsiny eto. An-taonany izany vao vita.” Ny olon-kafa iray teo amin’ny manodidina, izay mpitondra fivavahana dia niaiky fa teo am-panorenana azy ny trano fiangonany nandritra ny 20 taona lasa izay, nefa mbola tsy vita ihany. Mifanohitra amin’izany, ny Efitrano Fanjakana vaovaon’ny Vavolombelon’i Jehovah tao Munda dia vita tao anatin’ny folo andro monja!
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny trano falafa dia natao tamin’ny fitaovana nalaina avy tany anaty ala. Natao tamin’ny ratsankazo na hazo lava ny vatany, ary ny tafony sy ny rindriny dia voarakotra takelaka natao tamin’ny ravina palmie nafatotra tamin’ny ratsankazo sy nozairina tamin’ny tahon-javamaniry.
[Sarintany, pejy 24]
(Jereo ny gazety)
Oseana Pasifika Atsimo
NOSY SALOMON
Munda
GUADALCANAL
Honiara
[Sarintany]
AOSTRALIA
NOUVELLE-ZÉLANDE